- Publicité SW45 -
jeudi, mars 28, 2024
AccueilFaits-DiversAsan-jiolahy : Fanafihana teny Isotry, Andavamamba ary Soanierana

Asan-jiolahy : Fanafihana teny Isotry, Andavamamba ary Soanierana

Toerana telo samihafa no nandalovan’ny jiolahy mitam-piadiana ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo. Tetsy Isotry ny voalohany. Efa tafiditra tao an-trano ireo olon-dratsy saingy mba hitan’ny manodidina izay nampandre ny pôlisy avy hatrany. Tonga teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana izay nanapoaka basy. Izany no nampihemotra ireo olon-dratsy ka nahatonga azy ireo hitsoaka. Finday iray ihany no lasan’izy ireo nandritra ity fanafihana ity. Mitovitovy amin’izany ihany koa ilay fanafihana hafa tetsy Andavamamba. Vetivety dia nisy nahatsikaritra ny figadonan’ireo olon-dratsy ary nampandre ny pôlisy ao amin’ny SAG ny olona. Rifatra nitsoaka ihany koa ny mpanafika ary tsy nisy tontosa ny fanafihana. Farany indray dia teny Soanierana, mbola iny alina iny hatrany, notongavan’ny olona maromaro mitam-basy ny tokantrano iray. Io indray dia ny manodidina no avy hatrany dia nandray andraikitra na nitangorona ary nampiseho fahavononana hanohitra ireo olon-dratsy. Nitsoaka ireto farany vokatr’izany, tonga teny an-toerana rahateo ny mpitandro ny filaminana tao anatin’izay fotoana izay. Fanafihana telo no nitranga saingy fanafihana tsy nisy tontosa noho ny hamailon’ny olona ary koa noho ny firaisan-kinan’ny mpiara-monina, toa izay nitranga tetsy Soanierana. Amin’ny lafiny iray dia azo heverina ihany fa matahotra ny olon-dratsy rehefa mihetsika ny olona. Na izany aza anefa atody tsy miady amam-bato ary tsy afaka ny hanao zavatra betsaka ny olon-tsotra manoloana ny olona mitam-basy. Eo no ilaina ny fahatongavan’ny mpitandro ny filaminana faran’izay haingana mba hialàna amin’ny herisetra mety hitranga.

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser