- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAsan-jiolahy : Olona valo voasambotra

Asan-jiolahy : Olona valo voasambotra

Manjaka ny asan-jiolahy amin’iny faritra afovoany atsimo, any Fianarantsoa sy ny tanàna maro manodidina azy. Nisy hetsika nataon’ireo avy ao amin’ny Akademia n’ Antsirabe tamin’ny faran’ny herinandro teo. Fantatra araka izany, fa olona valo no voasambotra ary efa natolotr’izy ireo ny mpitandro filaminana ao Fianarantsoa. Toerana telo no fantatra, fa fiaingan’ireo mpandroba, dia ny ao: Camp Robin, Ambohimahasoa ary ny any Vohiparara. Tany amin’ireo toerana ireo no natao ny hetsika fampandriana fahalemana. Ny vaovao voaray no nahafantarana, fa roa herinandro lasa izay, nisy nanafika ny sefo fokontany tany Ranomafana. Bokin’omby  hatrany amin’ny 80 no tena nalain’ireo olon-dratsy, hoy ny vaovao voaray. Lasa izy ireo rehefa nahazo izany. Mihorohoro ny mponina any an-toerana, indrindra ny any Ranomafana. Sekoly roa no nakatona. Ankoatra izany, nisy nandrahona koa ny « Centre Valbio » any an-toerana. Taorian’izany indrindra no nanaovana ny hetsika.

m.l.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici