- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 29, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAsan-jiolahy : Tratra ireo nanafika ilay maorisiana teny Ampitatafika

Asan-jiolahy : Tratra ireo nanafika ilay maorisiana teny Ampitatafika

Dimy lahy izay voalaza fa jiolahy rain-dahiny no voasambotry ny zandary avy ao Andoharanofotsy ny 12 novambra lasa teo. Naharay vaovao mantsy ny mpitandro filaminana fa misy andian-jiolahy avy nanao fanafihana tany Faratsiho ary lasa nandositra aty Antananarivo. Napetraka avy hatrany ny sakana ka tratran’ny zanadary tao anaty taxi-brousse izy dimilahy ireto. Rehefa nosavaina dia mbola tratra tany amin’izy ireo ny basy PM MAT 49, sy ny bala 9mm vitsivitsy izay nentin’izy ireo nanafika. Mbola hita teny amin’izy ireo ihany koa ny entana halatra vitsivitsy sy fanamiana miaramila fitondran’izy ireo manao ny asa ratsiny. Rehefa natao ny fanadihadiana dia fantatra fa ireto andian-jiolahy ireto no nanafika ilay teratany maorisiana teny Ampitatafika andro vitsivitsy lasa izay. Mbola ry zareo ihany koa no isan’ny tompon’antoka tamin’ireo fanafihana mitam-piadiana maromaro teto an-drenivohitra. Misy amin’ireto olon-dratsy ireto no vao nivoaka ny fonja ary izao efa manao fanafihana izao sahady. Nisy lehilahy iray hafa ihany koa voasambotra, izay voalaza fa mpamatsy bala azy ireo.
Ity basy entin’ny jiolahy ity dia isan’ireo basy fampiasan’ny mpitandro filaminana taloha, ary niparitaka be tamin’ny fotoanan’ny hetsi-bahoaka tamin’ny taona 1972. Efa nokikisan’ireo olon-dratsy moa ny laharana mety ahafantarana azy, saika hiezaka ny zandary hanao ny fomba rehetra mety hahafantarana ny tena tompony.
Rongony. Ankoatra ireto dimilahy ireto sy ilay mpamatsy bala dia nisy roalahy hafa ihany koa voasambotry ny zandary avy ao Andoharanofotsy nandritra ny sakana izay natao. Nahatratrarana rongony roa kitapo izay milanja 25 kg eo izy roalahy ireto. Araka ny nambaran’izy ireo nandritra ny fakana am-bavany dia avy any Ambovombe Androy ireto zava-mahadomelina ireto ary saika hamidy aty Antananarivo.
Nambaran’ny tomponandraikitra ambony avy ao amin’ny zandarimariam-pirenena fa hanao izay ho afany izy ireo amin’ny fitandroana ny filaminana, indrindra amin’izao fotoana hamoahana amin’ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana izao. Koa tsy handeferana araka izany ny asa fanakorontanana sy ny famoriam-bahoaka tsy nahazoana alalana, ary manentana ny rehetra mba hampandre avy hatrany azy ireo raha vao misy zavatra mampiahiahy.
Aina R.

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser