- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAsan-jiolahy : Voasambotra i Dida sy jiolahy folo hafa mpanao fanafihana

Asan-jiolahy : Voasambotra i Dida sy jiolahy folo hafa mpanao fanafihana

Tao Toamasina ny minisitry ny filaminam-bahoaka niatrika ny lanonana ny fitokonana ny tsangam-bato fahatsiarovana ireo Malagasy maty nandritra ny ady lehibe voalohany, 1914 – 1918, izay feno 100 taona ny fahatsiarovana azy, ka nandritra izay no nihaonany tamin’ireo polisim-pirenena tao Toamasina, sy nanomezany toro-marika azy ireo mikasika ny firongatry ny asan-jiolahy sy fakana an-keriny.

Nandritra ny fanazavany no nahalalana fa tratra i Dida sy ireo jiolahy 10 namany, izay nampijaly an’Antananarivo tamin’ny fanafihana mitam-piadiana sy niteraka von’olona mihitsy, tahaka ny tranga in-02 tao Anosibe sy ny tranga niseho tao Ambodin’Isotry. Isan’ny ati-doha mpikotrika ireo fanafihana mitam-piadiana i Dida, mbola karohana kosa ny namany hafa. Nisy ihany koa nandritra ny fisamborana azy ireo ny fahatrarana ireo fitaovam-piadiana, izay araka ny fanazavana ihany dia nivoaka avy eny anivon’ny mpitandro ny filaminana, ka eo am-panadiadiana mikasika ny toby nivoahany izy ireo ankehitriny.

Ankoatra izay dia fantatra ihany koa izao fa efa saika mivoaka ny fonja avokoa ireo jiolahy tratra teo aloha rehetra nampisy filaminana teo. Ka isan’ny nahatonga ny tranga na fakana an-keriny tao Toamasina farany teo izany trangan-javatra izany, izay niangavian’ny minisitry ny filaminam-bahoaka ny fiaraha-miasa amin’ny fitsarana sy ny fandraharahana ny fonja Malagasy izay antoky ny fandriampahalemana.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici