- Publicité -
mercredi, novembre 19, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAsan-jiolahy : Voatetika antsy ny tompon'ny "bar"

Asan-jiolahy : Voatetika antsy ny tompon’ny « bar »

Samy miady amin’ny fahafatesana izy mivady izay mitazona toeram-pivarotana toaka ao Antentezantaona, fokontany iray ao Toamasina. Efa-dahy mitam-basy sy antsy lava no tonga nanafika tao amin’io toerana io ny alin’ny asabotsy hifoha alahady. Nivezivezy nividy toaka tao amin’ilay « bar » ny iray tamin’izy ireo nefa rehefa tena zohiana dia mitsirika ny olona ao anatiny. Rehefa hitan’izy ireo fa tsy nisy olona intsony tao an-toerana dia niditra amin’izay izy efatra. Nambanana basy aloha izy mivady. Taorian’izay dia nanaovana herisetra indray : notsatohana antsy. Samy voa mafy izy roa ary tsy maintsy nentina eny amin’ny hopitaly mba ho fanavotana ny ainy. Raha araka ny fanampim-panazavana dia mboka tsy mahatsiaro tena ireo olona. Ny vola maty indray andro tao amin’ilay bar no lasan’ireo olon-dratsy. Tsy izay ihany anefa satria nobatain’ireo koa izay entana hitan’ny masony fa mora alaina. Lasa hatramin’ny fitaovana fijerena fahitalavitra satelita izay asa raha mba fantatr’ireo jiolahy fa hahamora ny fahafantarana azy ireo izany. Miverina mafampana indray ny tsy fandriam-pahalemana ao Toamasina amin’izao ankatoky ny fety izao, ary tsy ao irery no hiharan’izany rehefa amin’ny vanim-potoana toa izao.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici