Raha mbola variana nanaraka ny fivoaran’ny raharaha Malama tamin’ny tambajotra sosialy ny ankamaroan’ny mpampiasa izany, vetivety teo koa omaly dia nisy fizaràm-baovao hafa fa voasambotra any Norvège i Assanati Famo Gidraka. Io farany dia teratany malagasy, vehivavy izay lasa olo-malaza noho ny fizaràny vola etsy sy eroa, indrindra ho an’izay mivoy ny foto-keviny « werawera tsy maintsy mandeha ». Voatery nanazava io farany fa tsy nisy izany fisamborana izany ary tsy any Norvège izany izy fa kosa ao an-drenivohitr’i Frantsa. Inona no mety ho anton’ilay fanalezana tsaho? Raha ny fihevitry ny maro dia entina hisintomana ny sain’ny olona mba hiala amin’ny zava-misy iray manomboka mafana ao anatin’ny tambajotra sosialy izany. Raha jerena amin’izay lafiny izay dia ny raharaha Malama no tiana ho tsy be mpanaraka loatra. Paika diso ihany satria vao maraina ny olona voakasika dia efa nizara ny fiantsoana azy teny amin’ny zandary. Vita izay dia efa naparitaky ny vadiny ny vaovao mahakasika ny famerenana azy eny amin’ny fonjan’Antanimora. Nifanandrify tamin’io fotoana io no nisy fivoizana an’ilay tsaho mahakasika an’i Assanati Famo Gidraka izay azo eritreretina fa saika hanakonana ilay vaovao iray. Dia lasa toa izany ankehitriny ny fiasan’ny tambajotra sosialy eto amintsika. Hanimbàna olona, hanenjehana ny resy, hamoronana ny tsy misy mba hamotehana ny voninahitry ny olona iray. Na izany aza anefa dia betsaka koa ny zava-misy any anaty fiarahamonina izay tsy fantatra mihitsy ny fisiany raha tsy misy mitatitra eo amin’ny tambajotra sosialy. Sady ilaina arak’izany ny fampiasàna azy saingy mila lanjalanjaina be ny zavatra voizina ao mba tsy hahadiso hevitra. Eto amintsika dia tsy misy afa-tsy ny tambajotra sosialy Facebook ihany no tena fampiasan’ny maro satria io no mba takatra amin’ny fahana. Raha mba nandroso ny Internet ka mora vidiana, mety mba afaka nivelatra tamin’ny tambajotra hafa kokoa izay mety mahasoa kokoa ny malagasy. Izao dia lasa mivangongo mifampitsikilo ao fotsiny ary mifampitsikera sy mifanaratsy am-pitoerana. Ary ny tena loza dia misy mikarama isam-bolana hanao izany fotsiny.
D.R