« Aminay ny haisin’ny fitandroana ny filaminana amin’ny ankapobeny sy ny fahefam-panjakana mihitsy no voahosihosy … »
Nanoloana ilay tranga herisetra, faniratsirana sy fikasihan-tanana nataon’ny « assistant parlementaire » iray tany amin’iny distrikan’Ihosy iny, tamin’ny manamboninahitra ambony teo anivon’ny pôlisim-pirenena dia namoaka fanambarana ny avy eo anivon’ny fikambanana hiraisan’ireo kaomisera eo anivon’ny pôlisim-pirenena. « Manameloka tanteraka izay mety endrika fanohitohinana ny fahefam-panjakana amin’ny alalan’ny faniratsirana sy fikasihan-tanana atao amin’ny solon-tenam-panjakana (…) Mitaky ny fampiharana ny lalàna manankery eto amin’ny tany sy ny fanjakana izahay, izay tsy tokony hizahana tavan’olona na antokon’olona (…) Mahatoky fa Firenena tan-dalàna tokoa i Madagasikara»
Mpihetraketraka. Nitana ny sain’ny maro tokoa iny tranga niseho tao Ihosy iny, ny faran’ny herinandro lasa teo. Tena fahasahiana mihoampampana ny an’ilay lehilahy mitonona ho « assistant parlementaire », izay sahy nikasin-tanana ny Talem-paritry ny ministeran’ny filaminam-bahoaka tao Ihorombe. Raha ny vaovao re tokoa mantsy dia olona efa mpihetraketraka sy miseho ho tsy refesi-mandindy any amin’iny faritra iny ity lehilahy ity. Voalaza mantsy fa entiny mieboebo sy hanamparana fahefahana ny maha « assistant parlementaire » azy sy ny fahafantarany olona maro ao amin’ny fitondràna. Tamin’ity indray mitoraka ity angamba dia hita ho nihoatry ny fefy tanteraka ny zavatra nataony ka nampiray hina ireo manamboninahitra ambony teo anivon’ny pôlisim-pirenena.
Mifindra tanana. Efa nosamborina, notazomina natao andrimaso tany Ihosy ny lehilahy, taorian’izay fandikan-dalàna izay ary nanokafana fanadihadiana. Raha ny tokony ho izy dia natolotra ny Fampanoavana omaly tao amin’ny Fitsaràna ambaratonga voalohany ao an-toerana ihany ny raharaha. Saingy tsy tanteraka izany, noho ny fisian’ny korontana teo anoloan’ny Fitsaràna, izay voalamina ihany moa taty aoriana. Ankoatr’izay, nisy ny fanampahan-kevitra noraisin’ny « Procureur général »_n’ny « Cour d’appel » ao Fianarantsoa, hamindra izany ho any Fianarantsoa. Araka ny voarakitry ny taratasy fampilazàna maika nalefany, ho an’ny Tonian’ny mpampanoa lalàna ao amin’ny Fitsaràna ambaratonga voalohany ao an-toerana. Izany, raha ny votoatin’ilay taratasy dia noho ny hoe « fampiharana ny artikla faha-31 ao paik’ady heloka, izay tokony hiarovana ny ain’ilay voarohirohy sy ho fitandroana ny filaminam-bahoaka ary mba hisian’ny firindràn’ny asam-pitsaràna amin’ny antsakany sy andavany». Omaly hariva ihany dia efa nentina nihazo ny renivohitry ny faritra Matsiatra Ambony ity “assistant parlemantaire” ity. Ireo avy eo anivon’ny pôlisim-pirenena, nampian’ny teo anivon’ny Tafika, tamin’ny alalan’ny BIA (bataillon interarmes de l’Armée malagasy) tao Ihosy no nitondra azy tamin’izany.
m.L