Nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety tao amin’ny efitrano fivorian’ny seranan-tsambon’i Toamasina, SPAT, ny tale jeneraly Atoa Avellin Christian Eddy sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky, mikasika ny fanakihanana mahazo azy tamin’ny filazana, fa nanimba ny orinasa TIKO TOP tao amin’ny seranan-tsambo. Nomarihan’ny tale jeneralin’ny Spat, fa fitantanana sy fandrindrana ny zava-misy eo anivon’ny seranan-tsambo sy ny fari-dranomasina ary ny fananan’ny Spat rehetra no maha-eo azy ireo; ka isan’ny sahanin’izy ireo amin’izany ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombina antoka amin’izy ireo mampiasa ny fananan’ny seranan-tsambo. Tsy manaotao foana ny Spat, raha nandrava ny orinasa Tiko TOP tao amin’ny seranan-tsambo, satria eo aloha voalohany ny raharaham-pitsarana vokatr’ilay fifanarahana tsy voahaja nifanaovan’ny orinasa Tiko sy ny Spat, ka niakatra fitsarana. Ny didim-pitsarana laharana 12 ny 13 mai 2011 ny fitsarana ara-barotry ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, nohamafisin’ny fitsarana ambony teto Toamasina ihany koa, milaza ny trosany amin’ny orinasa Tiko TOP mitentina 1.225.214.685 ariary miampy ny “dommages et intérets” mitentina 200.000.000 ariary izay nambara fa tsy voaloa. Ny faharoa dia ny mety hampitera-doza ny fotodrafitrasa noho ny efa faharatsiany taorian’ny fandravan’olona tamin’ny halatra vy nataon’olona azy tao anatin’ny krizin’ny taona 2009 ka efa mangozohozo hianjera. Nomarihan’Atoa Avellin Christian Eddy hatrany, fa tsy izay fananan’ny orinasa Tiko eo anivon’ny seranan-tsambo no noravan’izy ireo, na teo koa aza ny olana ara-trosa teo amin’ny Spat sy ny orinasa Tiko tamin’ny fisian’ny orinasa “MANA” araka ny didim-pitsarana ara-barotra laharana 33 ny 16 septambra 2011 ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina mitentina 8.143.801.73,47 ariary, izay mbola nohamafisin’ny fitsarana ambony teto Toamasina ihany koa; fa ny orinasa efa simba mety hampidi-doza ihany. Nambaran’ny Spat ihany koa, fa maro ireo mpiara-miasa amin’ny seranan-tsambo no manana olana ara-trosa aminy koa amin’izao, ka isan’izany ny orinasa CODAL izay efa namoahan’ny fitsarana didim-pitsarana ihany koa. Eo koa ireo orinasa samihafa mbola ao anatin’ny raharaham-pitsarana eto Toamasina ny mikasika azy ireo, ka miandry ny didim-pitsarana raikitra mikasika izany ny Spat ankehitriny dia miditra amin’ny pitsopitson-dalana ihany koa. .
Malala Didier