“Tsy mpanao sy tsy manao ary tsy hanao izany tamban-jotran-tserasera’facebook’ izany mihintsy raha izaho”, izay no nambaran’ny tale jeneralin’ny Spat Atoa Avellin Eddy Christian, raha nanontaniana ireo vaovao anatin’ity tamban-jotra ity misy ny sariny sy ny anarany ny tenany, ka “amiko”, hoy Atoa Avellin Christian dia fisolikiana sy fisandohana avokoa ireny zava-misy rehetra ireny. Nohamafisin’ity tale jeneralin’ny Spat ity hatrany fa fomba entina hanaratsia ny tenany sy ny mpiara-miasa aminy ary indrindra entina hanaratsiana ny fampandrosoana entin’ny Spat ho an’i Toamasina sy ho an’i Madagasikara avokoa ireny zava-misy rehetra ireny. Efa nanomboka ny volana aogositra teo no nisian’ity fisolokiana sy fisandohana ny anarany tao anatin’ny tamban-jotran-tserasera “facebook” ity ka hatramin’izao mbola mitohy hatrany. Vokatra izany dia nametraka fitoriana teo anivon’ny sampan-draharaha momba ny “cyber-criminalité” ao Anosy sy toby Ratsimanadravana Antananarivo, sy teo anivon’ny fitsarana ny volana oktobra teo ny tenany. Hatreto aloha mba tsy misy ny vokatra azo tamin’ireo fitoriana nataon’ny tale jeneralin’ny Spat ity, saingy raha ny vaovao dia tena ao anaton’ny fanadiadiana lalina momba ity raharaha ity tanteraka ireo mpitandro ny filaminana, polisy sy ny zandary, amin’izao fotoana.
Malala Didier