- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAtoa Rafidison Richard Téodore : Nisaotra ny vahoakan’i Toamasina

Atoa Rafidison Richard Téodore : Nisaotra ny vahoakan’i Toamasina

Niantso mpanao gazety omaly maraina ny governoran’ny faritra Atsinanana, Atoa Rafidison Richard Théodore, nisaorany ny vahoakan’i Toamasina, nahatonga antsika ankehitriny tafiditra amin’ny fialana amin’ny fihibohana araka ny nambaran’ny filoham-pirenena nandritra ny lahateniny ny alahady alina. Henjana izay 05 volana nihibohana izay, hoy ny governora, nefa noho ny ezaka fanarahana ireo fepetra samihafa noraisina , ny tantsoroka nataon’ny fanjakana ara-panafody sy ara-pitaovana ary ara-mpitsabo, dia tonga amin’izao fialana amin’ny fihibohana izao isika. Nisaoran’ny governora manokana ireo mpiasan’ny fahasalamana izay nihosina niaraka tamin’ireo marary na teo aza ny tsy fahampiam-pitaovana teny am-boalohany, ka nisian’ireo mpitsabo tratran’ny valanaretina ary nisian’ny maty mihitsy tamin’izy ireo. Nomarihan-dRafidison Richard Théodore, governoran’ny faritra Atsinanana hatrany fa na eo aza ny fialan’i Toamasina amin’ny fihibohana, dia mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana hatrany isika eto Madagasikara. Midika izany fa mbola mitohy hatrany ireo fepetra samihafa ara-pahasalamana, tahaka ny fanaovana ny arotava, ny fanasana tanana matetika, ary ireo fihetsika sakana amin’ny Coronavirus. Mbola eny amin’ny fiaraha-monina ny Covid-19, mbola eto amintsika ny Coronavirus, ka noho izany tsy mbola azo atao ny mitangorongorona sy mamorivory olona maro. Vokatr’izany dia tsy mbola afaka misokatra ihany koa ireo trano fisotroana sy ny trano fandihizana ary taxi-brousse zotra nasionaly. Ankoatra izay dia nomarihan’ny governora ihany koa fa afaka mamonjy an’Antananarivo amin’ny fangatahana fahazoan-dalana manokana ireo mpianatra handrato fianarana any ivelany amin’ny fanaovana ireo antontan-taratasy ilainy amin’izany. Eo anivon’ny governoram-paritra no hanaovana ny fangatahana amin’izany.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici