Tontosa ny 24 sy ny 25 septambra teo ny atrikasa nataon’ireo mpisehatra rehetra amin’ny rano, fidiovana, fanadiovana, aty amin’ny faritra atsinanana ; nandray anjara tamin’izany ny OSCEAH – ny WATER-AID – ary ny RANO WASH. Nandritra izany no nandraisan’izy ireo ny fehin-kevitra momba ny fanatsarana ny fanomezan-drano madio, sy ny fametrahana ny fidiovana sy ny finadiovana, satria tena mbola lavitra ny ezaka amin’ny taha 12% ny mponina ihany no misitraka izany. Velirano faharoan’ny filoham-pirenena, « angovo sy rano fisotro madio ho an’ny rehetra », ny fanomezana izany rano fisotro madio, ny fidiovana ary ny fanadiovana ho an’ny malagasy rehetra izany, ka tao anatin’ny fehin-kevitry ny fivoriana nomena ireo mpanao lalana malagasy ny sabotsy teo ny fampitomboana ireo teti-bolam-panjakana hatokana amin’ny famatsiana ity resaka rano sy ny fidiovana ary fanadiovana eto amintsika ity. Efa manao ezaka ihany ireo mpiara-miombona antoka amintsika manampy izany, isan’izany ny faritra atsinanana ka nahatratra 2,9 miliara no vola natokan’izy ireo tamin’izany izay nahatratra 219.000 ireo nahazo tombontsoa tamin’ny rano fisotro madio, raha nahatratra 21.547 ireo nahazo trano fivoahana. Na teo aza ireo ezaka ny mpiara-miombona antoka ireo dia mbola betsaka hatrany ny ezaka tokony atao, satria mbola maro ireo distrika mbola tsy misitraka izany rano fisotro madio sy ny fidiovana ary fanadiovana izany ka isan’izany ny ao Antanambao Manampontsy sy ny ao Marolambo izay toerana tany lavitra andriana. Nisy kosa anefa efa nanana ireny foto-drafitrasa ireny sangy efa simba sy nosimbaina tahaka ny tao amin’ny kaominin’i Ambodilazana, Ambodiriana, Mangabe, Vatomandry, ary Tsarasambo… . Voasokajy ho zo fototra ny fisitrahana ny rano fisotro madio sy ny fanadiovana ary fidiovana ity, sady fitsinjovana amin’ny fisorohana ny valan’aretina toy ny Coronavirus ihany koa. Ka ny andrasana amin’ny mpandray fanapahan-kevitra eto amintsika, dia ny fandraisana fepetra amin’ny fandaharan’asa Rano, Fidiovana, ary Fanadiovana, isaky ny distrika ny kaominina ; fanomezana fanazavana ara-dalana ny famatsiam-bola atao aminy ; fampiakarana ny taham-bola natokana amin’ny Rano, Fidiovana, Fidiovana ; ary mila raisin’ny fanjakana ho tena loha-laharana amin’ny fanapahan-kevitra raisin’ny fanjakana ny fampiharana ny Rano, ny Fidiovana, ary ny Fidiovana…
Malala Didier