Toliara : Lasa fanaovan’ny olona maloto sy toeram-panariam-pako ny biraom-paritry ny kolontsaina ao Tsienengea
Noho ny tsy fahampian’ny tetibola nentina nanaovana ny asa fanarenana hatramin’izay, dia rava avokoa ireo fefy ao amin’ny biraon’ny sampandraharaham-paritry ny kolontsaina, ny fampiroboroboana ny asa tanana, ary ny fiarovana ny vakoka, miorina ao amin’ny fokontany Tsienengea Toliara ka izay mahamora ny fidiran’ny rehetra ao anatiny. Lasa toerana fanaovana maloto sy toerana fanariam-pako sisa amin’izao ao amin’io biraom-paritra io. Ankoatra io dia simba tanteraka ny fotodrafitrasa rehetra, toy ny varavarana.
Homen-kasina amin’izay. “ Noho ny fanohanana avy amin’ny ministera foibe, dia hamboarina ny fefy, ary hodiovina ireo faritra feno loto. Hamboarina ny varavaran’ny birao simba sy potika sady hasiana « grille de protection », ary hasiam-panarenana ihany koa ireo toeram-pidiovana mba hiverenan’ny hasina maha-tena ho biraom-paritry ny kolontsaina marina azy ”, hoy Atoa Berthin, talem-paritry ny Kolontsaina Atsimo Andrefana. Faniriana, hoy ity talem-paritra ity, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety, ny hisian’ny Tranoben’ny Kolontsaina aty amin’ny faritra Atsimo Andrefana, mba hikolokoloana an’ireo vakoka mihavery tamingana.
Eric Manitrisa