- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversATSIMO ANDREFANA : Basibasy-Morombe Fiarovana ny valanjavaboary Mikea

ATSIMO ANDREFANA : Basibasy-Morombe Fiarovana ny valanjavaboary Mikea

“Ireo solontenan’ny tantsaha avy ao Babasibasy nanatanteraka fitsidihana tao Isalo”. Sary Anastase.

Nanatanteraka fitsidihana arahin’ny fifanakalozana traikefa ireo fikambanana tantsaha.

Ho fanatanterahana ny tetikasa “ADAP “ (Association pour le Développement des Aires Protégées), na ny fiarovana ny valanjavaboary « Mikea » sy ireo alà manodidina azy ao anatin’ny kaominina ambanivohitra Basibasy, distrikan’i Morombe, faritra Atsimo Andrefana, dia maro ireo asa hatao miaraka amin’ireo mponina any an-toerana. Anisan’izany ny fampiroboroboana ny voly oviala.

Nohazavain’ny mpandrindra ny tetikasa ADAP, Raobelison Fidy Denis, fa natao ny voly oviala noho izy tafiditra ao anatin’ny fiahiana ara-tsakafo, no sady entina ho fiarovana ny ala. Araka izany, efa nanomboka ny asa, ka fikambanana mpamboly miisa roa no misahana an’izany, dia ny fikambanana Tahindra sy Tseatseaka, samy ao anatin’ny kaominina Basibasy.

Ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpamboly, dia nisy ny fitsidihana arahin’ny fifanakalozan-traikefa (visites d’échange) nataon’ireo mpisehatra, ny tapaky ny volana marsa teo tamin’ny faritra roa dia ny kaominina Androy-kely (Matsiatra Ambony) sy Isalo (Menabe).

Dahalo niova fo. Fantatra nandritra an’ireo fitsidihana ireo, na tany Androy kely izay nisy an-dRavelo mpamboly oviala mahafatra-po, sy Ravorondolo mpamboly fantan-daza tany Isalo, fa vokatra tsara daholo ny oviala amin’ireo toerana ireo, na dia eo aza ny maha samihafa ny toetrandro sy nahitana ihany koa ireo oviala maro karazana. Raha eo amin’ny lafiny ara-tsakafo be otrikaina, ireo oviala ireo dia mahasolo karazan-tsakafo maro, indrindra mandritra ny fotoana tsy ahitana vokatra, sady mora tehirizina ihany koa. Nomarihin-dRavelo sy Ravolondolo fa ny vidin’ny vokatra  amin’ny fotoana famokarana manomboka amin’’ny volana jolay, dia mahatratra 1500 ar ka hatramin’ny 2000 ar mahery ny iray kilao.. Ny fototry ny oviala iray dia mahatratra kilao maromaro. Ho an-dRavolondolo manokana, dia eo amin’ny 10 taonina mahery ny oviala lafony isan-taona, ka nahatonga azy ho anisan’ny dahalo niova fo. Samia niaiky ireo mpitsidika sy ireo notsidihana fa mahavelona tsara ny voly oviala ary azo atao sakafo ara-pahasalamana tsara ho an’ny  fianakaviana manontolo, ary mampihena ny fahasimban’ny alà ataon’ny olombelona ho fiarovana ny tontolo iainana antoka ny fampandrosoana maharitra.  Ny tetikasa ADAP dia vatsian’ny “federation génevoise de cooperation” any Soisa, ka ny Ong Saha no manatanteraka ny asa.

Anastase

Toliara

Ripaky ny hain-tany ny voly sy ireo biby fiompy

Izay mpitondra nifandimby teto dia tsy nisy nanana tetikasa sy vahaolana maharitra momba ny tsy fisian-drano any Atsimon’ny nosy. Loza mitatao amin’ny mponina maro any amin’ny distrikan’i Toliara II ankehitriny ny tsy fisian-drano vokatry ny hain-tany noho ny tsy filatsahan’ny orana, ka ripaky ny hain’andro ny ankamaroan’ny voly hasy, mangahazo (balahazo), katsaka, vary, . . . sy ireo biby fiompy, ary mosary (kere) ny olona. “ Ny fanamboarana ny toho-dranon’i Ranozaza, ny vavaranon’i Manombo, . . . , ary ny fitarihana ny ranon’i Onilahy sy Mangoky tsy ho very any an-dranomasina ihany no vahaolana maharitra sy mahomby amin’ny fanondrahana an’ireo velaran-tany sy tanimbary an’arivony hektara aty amin’ny distrikan’i Toliara II, ka hampidina ho azy ny vidim-bary “, raha ny nambaran’ny fikambanamben’ ireo mpamboly sy Ben’ny tanàna sasany nitafa tamin’ny mpanao gazety. Anisan’ny mampitaraina ny vahoaka amina kaominina maro any an-toerana ihany koa amin’izao ny fihoaram-pefy sy fanararaotam-pahefana ary valifaty ataon’ny mpikamban’ny Dinabe sasany (dahalo niova fo), ka fadiranovana lasa mahantra tsy fidiny avy hatrany izay tratra/iharan’ity dina lalàna mafy dia mafy tsy mampitrosa ity. “ Endrikendrika na tondro-molotra fotsiny dia mety hahafaty ”, raha ny fitarainan’ny mponina.

Eric Manitrisa

Betioky Atsimo

Tapaka efa ho iray volana ny jiro, ilaharana ihany koa ny rano

Distrika maro eto amintsika no mbola miaina ao anaty delestazy sy tsy fisian-jiro vokatry ny fahasimban’ ireo milina mpamokatra herinaratra. Eo ihany koa ny tsy fisian’ny solika sy kojakoja fanolo noho ny tsy fandoavana ny volan’ireo “fournisseurs”. Noho ny fahasimban’ ireo milina mpamokatra herinaratry ny Jirama ao Betioky Atsimo, dia tapaka tanteraka efa ho iray volana nanomboka ny 20 martsa lasa teo ny jiro any an-toerana, ka milina kely fampiakarana rano sisa no azo ampiasaina ankehitriny. Manoloana ny tsy fisian-jiro dia miaina tanteraka ao anaty fijaliana sy haizina ary horohoro ny mponina, satria miato sy mikatso avokoa amin’izao ireo asa aman-draharaha sy fiharian’ny olona maro mila herinaratra. Raha araka ny tati-baovao voaray, dia ilaharana ihany koa ny rano, ka misotro ranom-potaka tsy ara-pahasalamana ny ankamaroan’ny mponina.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici