Nitrangana fanafihan-dahalo mahery vaika indray tany amin’ny distrikan’i Befotaka Atsimo, tsy lavitra ny sisin-tany mampisaraka azy amin’ny distrikan’ Ampanihy Andrefana, ny faran’ny herinandro teo. Raha ny vaovao voaray dia olona fito no namoy ny ainy tao Betsaponga Analamainty, ary omby 90 mahery no lasan’ny dahalo 30 lahy nitondra fitaovam-piadiana, ka ny omby miisa 25 amin’ireo omby very an’ny Lehiben’ny Fokontany Ambalarano, any amin’ny Kaominina Manambondro. Nampandrenesina ny mpitandro filaminana taorian’ny fanafihana, ka raikitra avy hatrany ny fanarahan-dia nataon’ny zandary nampian’ireo fokonolona. Nisy ny fifandonana tamin’ireo malaso, ka teo no nahalavo ireo olona miisa fito. Raha ny fanampim-baovao dia olana ho an’ireo mpitandro ny filaminana manao ny fanarahan-dia foana ny tsy fahampian’ny fitaovana sy isa.
Eric Manitrisa