- Publicité SW45 -
mercredi, octobre 23, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversATSIMO ANDREFANA - Mety ho fiverenan’ny fitrandrahana Base Toliara : Nivoaka tamin’ny...

ATSIMO ANDREFANA – Mety ho fiverenan’ny fitrandrahana Base Toliara : Nivoaka tamin’ny fahanginany ireo fikambanana maro

Ireo fikambanana nivoaka ny fahanginanany, manohitra hatramin’ny farany ny tetikasa Base Toliara.

Nahitsy ary mazava ny hevitr’ireo fikambanana maromaro, raha nihaona tamin’ny mpanao gazety, mahakasika ny hoe mety hiverenan’ny fitrandrahana indray ataon’ny Base Toliara.  « Atsaharo ny firaisan-tsikombakomban’ny olom-boafidy amin’ny orinasa avy any ivelany mba hanaovana tery vaimanta ny fokonolona voakasika hanaiky ny tetikasa fitrandrahana mampidi-doza Base Toliara izay efa nolaviny ankitsirano hatramin’izay », hoy izy ireo niombom-peo. Fikambanana izay nahitàna ny teo anivon’ny « Centre de Recherches et d’Appui pour les Alternatives de Développement – Océan Indien » (Craad-OI), ny mpiaron’ny zon’olombelona sy ny tontolo iainana avy eo anivon’ny Miaro Aina Zon’Olombelona Tontolo Iainana (Mazoto), ny Fikambanan’ny Masikoro Arivolahy (FIMA), ny « Femmes en Action Rurale de Madagascar » (Farm) ary ny « Réseau des Jeunes pour le Développement Durable » (RJDD).

Tsapan’izy ireo mantsy fa niova sy nivadika ireo olom-boafidy sy manam-pahefana any an-toerana ka hambarany ho « mpanera sy mpikolikolim-pifandraisan’ity orinasa mpitrandraka ity ». Hany ka manjary voatampim-bava sy tsy misy miheno ny feon’ireo solon-tenam-pokonolona izay manohitra ity tetikasa ity, hoy hatrany izy ireo. Izany toe-javatra ataon’ireo tompon’andraikitra izany dia azo adika tsotra ho « fanitsakitsahina ny zon’ny mponina fa indrindra loza manambana ny antom-pivelomany sy ny zony amin’ny tany, ny rano, ary ny tontolo iainana madio, mahasalama sady maharitra ». Manao antso avo amin’ny Filoham-pirenena sy ireo manam-pahefana araka izany izy ireo mba hihenoana ny feon’ireo mponina sy ny hampanajana ny zony. Mitaky ihany koa fandraisan’andraikitra amin’ny fanampiana azy ireo amin’ny fomba sahaza ho fampandrosoana ny seha-pihariana ivelomany amin’ny fambolena sy fiompiana ary jono nentim-paharazana.

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici