Manahy ny rehetra misehatra amin’ny fiarovana ny biby sy ny tontolo iainana any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, fa ahiana/atahorana ho lany tamingana ny biby arovana ao amin’ny valanjavaboahary Zombitse Vohibasia, any Sakaraha. Raha ny fanazavana azo dia mitombo isa ireo biby arovana ao amin’ity “parc” ity no miampita ka maty voahitsaka na voadonan’ireo fiara mandeha mafy, noho ny lalana tsara amin’ny RN7 mamakivaky an’ity valanjavaboahary ity. Mangataka amin’ny tompon’andraikitra ny mpitantana ao Zombitse Vohibasia, ny mba hametahana “casseur de vitesse” maromaro amin’ ny lalana. Fantatra ihany koa fa noho ny fihazana an-tsokotsoko ny sifaka atao sakafo sy amidy hitadiavam-bola, dia ahiana ho lany tamingana ity karazan-gidro tsy manam-paharoa any Atsimon’ny nosy sy eto Madagasikara ity. Na dia sarotiny amin’ny fiarovana aza ireo Vondron’ Olona Ifotony, dia tsy afa-manoatra manoloana ny fikapan’ny olona mitam-piadiana an-tsokotsoko ny andramena sy ireo hazo sarobidy hafa. Raha ny tati-baovao azo dia fantatra fa ataon’ireo dahalo mitam-basy avy nangalatra omby lalana fandosirana sy fanafenana omby halatra matetika ao amin’ ity valanjavaboahary ity.
Eric Manitrisa