- Publicité -
lundi, septembre 22, 2025
AccueilFaits-DiversATSIMO ANDREFANA : Toliara Fetim-pirenena, tsy marisika manangan-tsaina ny mponina

ATSIMO ANDREFANA : Toliara Fetim-pirenena, tsy marisika manangan-tsaina ny mponina

Mariky ny fiandrianam-pirenena sy ny fitiavan-tanindrazana ny fananganan-tsaina rehefa fankalazana ny fetin’ny 26 jona tahaka izao, kanefa dimy andro mialoha ny fankalazana fetim-pirenena malagasy, dia mbola vitsy an’ isa ny tokantrano eto Toliara no manangan-tsaina. Raha tsiahivina, dia “Fitiavan-tanindrazana sy filaminana antoky ny fampandrosoana ho fisandratran’i Madagasikara” no lohahevitry ny fankalazana amin’ity taona ity, ary ny alatsinainy 4 jona teo no tokony nanomboka ny fananganana sainam-pirenena isan-tokantrano, sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana, biraom-panjakana, lapam-panjakana arahina fiaraha-miredona ny hiram-pirenena no hisantarana ny fankalazana ny Faha-58 taonan’ny fahaleovantem-pirenena sady fetin’ny foloalindahy rahateo. Raha ny fanamarihana nataona raiamandrenibe iray tsongoim-bolo an-tanàna, dia mariky ny tsy fahakasitrahan’ny vahoaka ny mpitondra azy ny maha vitsy ny olona manangan-tsaina, satria mbola sahirana (tsy manana fahaleovan-tena ara-tsakafo, ara-bola, tany, fanafody, . . . ) ny ankamaroan’ny Malagasy dia leo disadisa politika, ary olom-bitsy no mihanoka sy mitavana ny harem-pirenena eto, ka izany no antony mahatonga ny ankamaroan’ny olona tsy marisika manangan-tsaina intsony, indrindra  tamin’ity taona 2018 ity izay hitakian’ny maro ny fialan’ny filoham-pirenena, hoy izy. Amin’ny ankapobeny, raha ny fanadihadiana natao, dia mbola mangina tanteraka ihany koa ny tsenan’ny sainam-pirenena, harendrina, akanjo, kilalao, akoho amam-borona, . . . , araka ny resaka nifanaovana tamin’ireo mpivarotra.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici