- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversATSIMO ANDREFANA : Toliara Mahazo laka ny fampiasana zaza tsy ampy taona,...

ATSIMO ANDREFANA : Toliara Mahazo laka ny fampiasana zaza tsy ampy taona, mitombo isa ireo tovovavikely mivaro-tena

Na dia voararan’ny lalàna tanteraka aza, dia mbola mahazo laka ny mampiasa zaza tsy ampy taona, indrindra ireo mpanampy ao an-tokantrano, eto Toliara, ary misy amin’izy ireny na lahy na vavy no mikarama vary masaka. Ary ny tena loza, noho ny fahasahirana misy, dia mitombo isa hatrany ireo tovovavikely mivaro-tena, mitady vola malaky sy mora mba hanampiana ny ray aman-drenin’ izy ireo amin’ny fivelomana (sakafo, hofan-trano, . . .) Ny fanaovana ity asa iray mamoafady ity dia mamotika ara-pahasalamana sy/na ara-tsaina ny ankizy. Amin’ity tranga ity dia mbola vitsy amin’ ireo mahatsikaritra ny zava-misy no sahy sy afaka mandray andraikitra avy hatrany eto an-drenivohitry ny Faritra Atsimo Andrefana, ka mitory izany any amin’ny mpitandro filaminana sy ny manam-pahefana, raha ny nambaran’ny tompon’andraikitra, ary ilaina, hoy ity farany nanamafy, ny fiaraha-mientan’ny rehetra.

Eric Manitrisa

Asan-dahalo : Maro ireo ankizy tsy afaka manohy ny fianarany intsony

Noho ny asan-dahalo sy ny fahasahiranana samihafa mianjady amin’ireo ray aman-dreny ary ny tsy fahampian-tsakafo mahazo laka misy, ny alaviran-toerana, ny faharatsian’ny foto-drafitrasam-papianarana, . . . , dia maro amin’ ireo ankizy any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana ankehitriny no tsy afaka manohy ny fianarany intsony. Vokatr’izany, dia  betsaka amin’ireo ankizivavy tsy ampy taona no lasa manambady mialoha ny fotoana. Ny tovolahy kosa dia mipetra-potsiny ny ankamaroan’izy ireo, ka lasa manaotao foana ny sasany amin’ireo tsy an’asa  izay tafaroboka mihitsy amin’ny asa ratsy sy fidorohana zava-mahadomelina.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici