- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAtsimo Andrefana Toliara : Mirongatra ny trafikan-tsokatra an-tsokotsoko sy fanondranana kitozan-tsokatra

Atsimo Andrefana Toliara : Mirongatra ny trafikan-tsokatra an-tsokotsoko sy fanondranana kitozan-tsokatra

Tao anatin’ny roa taona monja, sokatra maherin’ny roa arivo saika hisy hanondrana no tra-tehaka tany amin’ny distrikan’ Ampanihy Andrefana, raha ny tarehimarika nomeny avy ao amin’ny Fitsarana any an-toerana. Raha ny fanazavana voaray hatrany dia olona maherin’ny 30 no efa naiditra am-poja noho ny raharaha trafikana sokatra. Noho ny sazy henjana azo amin’ izay tratra manondrana sokatra an-tsokotsoko, dia tsy kely lalana ireo mpibizina sy mpanao trafika any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana ankehitriny, fa havadik’izy ireo ho kitoza indray ireo sokatra velona azony, ary mahazo laka amin’izao ny fanondranana kitozan-tsokatra an-tsokotsoko sy fivarotana izany ao Toliara. Araka ny loharanom-baovao marim-pototra voaray, dia misy olona ambony ao ambadik’ireto mpanao trafika, ary ity olom-be ity no miaro an’ireo mpibizina (manao ny fanelanelanana rehetra rehefa tratra na voasambotra ireo mpanao trafika), ka lasa tsy maty manota toa tsy azo kitihina ireto farany amin’ny fanondranana ny harem-pirenana biby arovana.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici