“ Tsy mbola tratra ny tanjona tiana hokendrena amin’ny velarantany 3.000 ha voavoly hazo isan-taona, satria mbola tsy resy lahatra ary tsy marisika ny ankamaroan’ny mponina aty amin’ny Faritra Atsimo Andrefana amin’ny hoe adidy amin’ny firenena ny famambolena hazo. Velaran-tany 250 ha monja no voavoly hazo tamin’ny taona 2016, ary 1.440 ha kosa tamin’ity taona ity, kanefa ny filan’ny mponina dia manodidina ny 3.000 ha “, raha ny nambaran-dRtoa talem-paritry ny Rano sy Ala, nandritra ny atrikasa nokarakarain’ny DREEF Atsimo Andrefana, nifarana afak’omaly, nentina nitadiavam-bahaolana sy paikady mahomby hahatratrarana ny tanjona kendrena eo amin’ny fambolen-kazo. Navohitran’ireo mpizaika fa tokony homanina mialoha eny amin’ny toerana hambolena azy ireo zana-kazo mba hialana amin’ny mety ho fahafatesany. Manoloana ny goragora sy gaboraraka ary kolikoly mahazo laka amin’ny fampiharana ny lalàna mifehy ny fampiasana arina fandrehitra dia marefo, satria hatramin’ireo hazo sarobidy arovana ankehitriny dia mihalany tamingana, kapaina hanaovan’olona saribao. Manomboka izao, raha ny fanazavana azo hatrany, dia ho hentitra ny tompon’andraikitra tsirairay amin’ny fanaraha-maso an’ ireo mpivarotra hazo sy saribao eto Toliara.
Eric Manitrisa
Toliara II
Tsy mety mandray vola vaovao ny ankamaroan’ ireo mpivarotra
Manomboka miseho lany ankehitriny ny fahasahiranana misy eny anivon’ny fiarahamonina mahakasika ny fampiasana ny vola vaovao. Distrika maromaro aty amin’ny Faritra Atsimo Andrefana no nahazoam-baovao marim-pototra, fa tsy mety mandray vola vaovao (roa alina Ariary, iray alina Ariary, dimy arivo Ariary, roa arivo Ariary ary ny arivo Ariary) nivoaka ny 17 jolay lasa teo ny ankamaroan’ ireo mpivarotra ka mampitaraina ny olona, toy ny tranga misy any amin’ny Kaominina ambanivohitra Ankililoaka, Andranovory, Tsianisiha, Milenake, Saint-Augustin, . . . Distrikan’ i Toliara II. Na eto Toliara tampon-tanàna aza, fantatra nandritra ny angom-baovao, fa mbola mampanano sarotra ny ankamaroan’ny olona ny fividianana zavatra amin’ireto vola vaovao any amin’ ireo mpivarotra madinika. Tsy hay intsony na filam-baniny na noho ny ahiahy be loatra vokatry tsaho mahazo laka ankehitriny amin’ny fiparitahan’ny vola sandoka vaovao, fa asain’ny mpivarotra atakalo vola taloha aloha ilay vola vaovao, izay vao afaka mividy na mahazo zavatra tadiavina ny mpanjifa izay sahirana araka izany raha sendra vola vaovao.
Eric Manitrisa
Toliara
Mbola vitsy ireo mpiala sasatra tonga
Raha tsy misy trano azo hofaina intsony any Mahajanga renivohitry ny Faritra Boeny amin’izao fotoam-pialan-tsasatra izao noho ny hamaroan’ireo olona mpiala sasatra, dia mifanohitra amin’izany kosa ny zava-misy eto Toliara ankehitriny. Nihena be ary mbola vitsy amin’izao ny mpanao vankasy sy mpizaha tany miala sasatra sy mitsangatsangana tonga ao an-tanànan’ny masoandro sy any amin’ireo toerana kanto maro isan-karazany mahasarika vahiny, toy ny tora-pasika ao Ifaty, Mangily, Madiorano, Sarodrano, . . . Raha ny fanazavana azo, dia antony maro no mahatonga izany, ka anisan’izany ny tsy fandriampahalemana mahazo laka mampitaintain-dava an’ ireo mpandeha amin’ny lalam-pirenena fahafito. Etsy andaniny, nivohitra tamin’ny fanadihadiana natao fa ratsy tsy toy isan-taona (indrindra rehefa volana aogositra toy izao) ny tsena, hoy ireo mpivarotra, ary ny hita tena mitaraina mafy dia ireo toeram-pivarotana asa tanana “Art Malagasy”. Nihena be fa tsy toy ny hita isan-taona ihany koa ny vola miditra sy kirakirain’ireo trano fisakafoanana sy fandraisam-bahiny ary toeram-pialamboly, ka mitoreo mafy mitaraina ratsy/maina tsena amin’izao hatramin’ireo tovovavy (misy tsy ampy taona) mpampanofa tena mivarotra fitombenana sy fahafinaretana ahazoam-bola malaky ivelomana.
Eric Manitrisa