Ny fonja tao Mananjary ny farany teo, ary fantatra fa ankoatra ity dia efa nisy iray, volana maromaro lasa izay. Ny fonja tao Vangaindrano, ary ny fonja tao Ikongo, samy efa nandraman’ireo andian’olona notafihana avokoa. Ny antony, resaka fitsarambahoaka ! Araka ny fanazavana nomen’ny tale jeneralin’ny fandraharahana ny fonja, Atoa Ranaivo Andriamaroahina Tovonjanahary, mantsy dia misy olona takian’ireo andian’olona manafika ny fonja, havoaka tao. Tsy hoe avoaka mba ho afaka akory fa hataon’izy ireo fitsaram-bahoaka. Izany toe-javatra izany matetika dia any amin’ireo mpandraharaha ny fonja no mianjera ary toa lasa ireto farany no heverin’ireo andian’olona fa miray tendro amin’izay olona voatazona am-ponja. Ekena fa anisan’ny andraikitra sy adidin’ny mpandraharaha ny fonja tokoa no miantoka ny fiarovana sy fandriam-pahaleman’ny fonja sy ny voafonja, raha toa ka manaraka ny lalàna velona no nahatonga izany olona izany tao. Ny zava-nisy anefa, hoy hatrany izy, matetika dia mety fiangavian’ireo tompon’andraikitra hafa no mahatonga ireo olona ireo ho ao am-ponja, izay saromana amin’ny hoe mba ho fiarovana ny ainy. Tsy misy akory ireo antontan-taratasy mampiditra na mamoaka azy ireo ao am-ponja. Hany ka lasa ireo mpandraharaha ny fonja no mizaka ny tsy eran’ny ainy amin’izany ary dia izao miafara amin’ny fanafihana ny fonja izao, raha ny fanazavana nomeny hatrany. Eo anatrehan’ny zava-misy dia nanolo-kevitra izy ny tokony hisian’ny fanentanana ataon’ireo tompon’andraikitra isan-tokony avy any amin’ireny toerana ireny sy mba hijerena akaiky izay toe-java-misy izay. Tsara marihina fa anisan’ny sokajiana ho faritra mena ny fonja ka adidin’ireo mpiambina azy tsara ny miaro izany amin’ny fomba rehetra.
m.L