- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversAtsimondrano : Lehilaly hita faty tao an-tranony

Atsimondrano : Lehilaly hita faty tao an-tranony

Omaly alahady no nahitan’ny olona ny fatin’ity lehilahy iray 35 taona tao an-tranony teny Ambalavao Atsimondrano. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa mipetra-drery ity olona ity. Talohan’izao, hitann’y olona niditra izy. Rehefa maraina anefa, tsy nivoaka. Nadrasana ny ataondro nefa tsy mbola nivoha hatrany ny varavarana. Nisy ny mahina ka nampilaza  tany amin’ny tompon’andrikitry ny fokontany. Nijery teo amin’ilay toerana ireo ary niantso mpitandro filaminana avy hatrany. Rehefa novahana ny varavarana dia io ilay olona hita teo amin’ny fandriana natoriany. Rehefa nojerena akaiky anefa vao fantatra fa efa tsy misy aina intsony ilay izy. Ny loharanom-baovao hatrany no hilazana fa toa nisotrosotro izy talohan’ny nodiany tao an-trano. Ankeviny tafahoatra izany zavatra izany ka io no nitarika ny fahafatesany. Mpandalo fotsiny ihany izy no eny. Mpamky vato no asan’ity olona ity fahavelony. Efa misokatra ny fanadihadiana mikasika izao fahafatesana izao.

r.s.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser