Lefitra faharoan’ny ben’ny tanana ao amin’ny “commune” Anosizato no nametraka fitoriana teny amin’ny polisy eny Soavina Atsimondrano fa misy mangalatra ny soniany sy ny fitomboka ampiasainy tsy tena izy. Taratasy hosoka araka izany no hitany misy ny anarany sy ny soniany. Tratra ihany anefa ny nafenina taty aoriana. Nisy mpitandrina nifanakalo moto iray tamina lehilahy hafa. Natao teny Anosizato ny taratasy fifampivarotana. Rehefa teny an-torana anefa, nilazan’ny mpisanan’ny “commune” ilay pasitera fa hosoka ny taratasy eny aminy. Rehefa nanontanina azy ny olona nahazoany ilay taratasy dia nanondro olona roa izy dia R. A. Henri sy R. Jean Gilbert. Avy hatrany dia nosamborina ireto olona voatondro ireo.natao ny famotorana ka nanondro olona roa hafa ihany koa ry zalahy ireo. Anisan’izany ilay antsoina hoe R. Jean Claude voalaza fa ny tena tompon’antoka amin’ny hosoka. Tsy niandry ela fa ny talata maraina faha-2 septambra dia nosamborina teny Ambohidahy I Jean Calude sy ny namany mpiara manao hosoka aminy antsoina koa hoe Joly. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa nisy fonosana rongony tany amin’io farany io. Tamin’ny fisavana no nahitana fitomboka maroamro sy taratasy hosoka miaraka amin’ny fanamarihana samihafa efa vita Sonia sy fitomboka ho fenoina fotsiny tany amin-dry zalahy. Mameno ny banga sisa atao. Entitra ny famotorana natao azy ireo ary voalazan’ny vaovao fa samy niaiky ny zavatra vitany avokoa ry zareo. Ankoatra izany mbola nanondro namany hafa ry zalahy. Karohan’ny mpitandro filaminana ireo amin’izao fotoana izao. Marihina manokana fa taratasy famarihana sy fifampivarotana no tena manavanana azy ireo. Omaly no natolotra ny Fampanoavana ireto olona ireto.
Nangonin’i r.s.