Ny volana desambra izy no voatondro ho nanolana ny zazavavy sivy taona izay zana-badiny. Ny talen’ny sekoly nianaran’ilay ankizy no nandray andraikitra nametraka fitoriana teny amin’ny pôlisy misahana ny heloka atao amin’n y zaza tsy ampy taona. Ny vokatry ny fizahan’ny mpitsabo dia nanamarina fa efa simba tokoa ilay zaza. Nandritry ny fanadihadiana dia nanazava ilay zaza fa efa imbetsaka no niharan’izany, ary io raikeliny io hatrany no tomponandraikitra. Ny fotoana fanaovan’ilay rangahy izany indray dia mandritry ny fialàn’ny renim-pianakaviana vao maraina ao an-trano. Rahonany ilay zaza avy eo tsy hiteny. Nandre feo mikasika ny nanjo an-janany ilay ramatoa ary rehefa nanontany dia niteraka adin’ny mpivady izany. Nanapa-kevitry ny niala tao an-tokantranony ilay rangahy nanomboka teo ka nanori-ponenana tany Nosy-Be. Rehefa nipetraka ny fitoriam-badiny teny amin’ny pôlisy dia natao avokoa ny vela-pandrika rehetra mba hiverenany teto Andrenivohitra ary nahomby izany. Vao tonga izy omaly maraina, teny amin’ny fiantsonan’ny taxi-brousse, dia ny pôlisy avy hatrany no nitsena azy.
D.R