
Ny alin’ny sabotsy teo, roa lahy no voasambotry ny pôlitsy tetsy Ambohimanatrika, distrikan’Antananarivo Atsimondrano, noho ny resaka fandratrana sy fanendahana olona. Nandritra ny fahatapahan-jiro izy roa lahy ireto no nanararaotra nanao ny asa ratsiny, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena. Efa nampiomana mialoha tokoa ny teo anivon’ny orinasa Jirama mahakasika ity fahatapahan-jiro eto Antananarivo sy ny manodidina ity, nanomboka ny zoma lasa teo, ka hatramin’ny talata ho avy izao, noho ny fanamboarana atao ao Andekaleka. Efa hiaraha-mahalala araka izany fa tsy maintsy haharitraritra izany fahatapahan-jiro izany, ka izay indrindra no nohararaotin’ireo tontakely hanaovana ny asa ratsiny. Teny amin’iny faritra Ambohimanatrika iny, tokony ho tamin’ny valo ora alina, tao anaty jiro maty mihitsy, lehilahy lehibe iray, tokony ho 62 taona no lasibatry ny fanendahana sy ny herisetra. Naratra vokatr’izay ity farany ary lasan’ireo tontakely ny zavatra teny aminy. Nandritry ny fitsoahan-dry zalahy ireto anefa no nifanena tampoka tamin’ireo pôlisy manao fisafoana izy ireo ka. Noraisim-potsiny, rehefa avy nifanenjehana. Nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny kaomisaria ary notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana. Ilay rangahy lehibe kosa, dia nentina novonjena avy hatrany tany amin’ny hôpitaly, noho ny vono sy ratra nahazo azy. Nilaza moa ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena fa hanamafy hatrany ny fisafoana, izay efa fanaon’izy ireo teo aloha, indrindra fa amin’izao fisian’ny fahatapahan-jiro maharitra izao. Tsy hijanona eny amin’ny arabe fa tena hiditra sy hitsirika ireo elakelan-trano rehetra eto an-drenivohitra ao anatin’izay.
m.L