- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversAtsimondrano : Roa lahy tra-tehaka teo am-pidorohana « rarany »

Atsimondrano : Roa lahy tra-tehaka teo am-pidorohana « rarany »

Azo lazaina fa mirongatra ny fidorohana zava-mahadomelina ao amin’ny fokontany Ambohimanatrika Atsimondrano. Ary saika ireo tanora no voasarika amin’izany.  Matetika anefa ny fidorohana izany no mitarika ireo zatovo hanaonao foana na hanatanteraka asa ratsy. Antony iray, tsy maintsy nandraisan’ny pôlisy avy ao amin’ny kaomisaria Atsimondrano, andraikitra manoloana izany. Naharay fitarainana mantsy izy ireo, eny an-toerana ny amin’ny afitsok’ireto mpidoroka ireto. Ny talata hariva lasa teo araka izany, dia nidina avy hatrany tany amin’ny toerana voalaza ireto mpitandro filaminana. Ary ireo eo, indreo tokoa misy andian-jatovo, roa lahy izy ireo aloha tamin’izay, teo am-pisintomanana tsara ilay zava-mahadomelina. Tsy nisy alaharo alaharo fa avy hatrany dia nosamborina ary nentina nihazo ny birao. Raha ny fanazavana azo dia mbola nahitàna rongony « rarany kely » tany amin’izy ireo nandritry ny fisamborana azy ireo. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana azy ireo, izay notanana natao andrimaso moa ireo pôlisy amin’izao. Hatolotra eny anvion’ny Fampanoavana kosa aorian’izay.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici