Basy vita gasy maromaro no sarona tao amin’ity toerana ity, ny alakamisy teo. Efa natao ho toerana fanamboarana basy vita gasy mihitsy ity ao Ambohibao, kaominina Bongatsara, distrika Antananarivo Atsimondrano ity. Taorian’ny lohanom-baovao azon’ny zandary, nidina tampoka teny an-toerana ireto farany ka tamin’izany no nahatratrarana ireto fitaovam-piadiana ireto : basy 9mm roa, basy PA tena izy iray, « baïonnette »-na Mass 36 iray. Nanampy ireo ny fitaovam-piasana vy maromaro natao ho fanamboarana itony basy vita gasy itony. Olona roa, izay marihina fa tompon’ilay trano, no voarohirohy sy efa nosamborina tamin’ity resaka ity, raha ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary. Efa mandeha ny famotorana araka izany.
Mandroso hatrany ny dingana ataon’ireo mpitandro filaminana, amin’ny fandravana itony toerana fanamboarana basy vita itony, izay isan’ny mampihanaka ny fiparitahan’ny basy eny an-tanan’olon-tsotra, indrindra fa ireo olon-dratsy. Raha tsy hiteny afa-tsy ilay teny Anosimpatrana, ravan’ny pôlisy volana maromaro lasa izay. Tsy afenina fa manam-pahaizana ary marani-tsaina tokoa ireto olona mpanamboatra basy vita gasy ireto. Ary amin’izay, hoy ny mpanara-baovao sasantsany, inona moa no tsy tokony hamerenana ireny olona ireny ao anaty vala ? Raha hipetra-potsiny any am-ponja izy ireo dia omena fitaovana sy asaina manamboatra basy ho an’ireo mpitandro filaminana, izay hita fa maro no tsy ampy fitaovana eto amin’ny tanana… sa ve hoe tsy mety hisy bizina ho tapaka indray any ho any ?
m.L