Isan’ny mampiavaka ny firenena malagasy ny fananany haivoaary maro, na ara-javamaniry izany, na ara-java-mananaina samihafa. Izany no nahatonga ny orinasa Ambatovy, raha nanangana ny orinasa fitrandrahany sy ny orinasa fanodinana ny vokatra nikela sy kobalta ataony eto amintsika, nanokana vola be amin’ny fiarovana ireo haivoaary malagasy misy ny toeram-piasan’izy ireo sy ny manodidina azy rehetra ary ireo faritra rehetra andalovan’ny asa ataony ihany koa. Mirefy 1.600Ha ny toerana hitrandrahan’Ambatovy ny nikela sy kobalta ataony, tsy maintsy nanokana toerana avo efatra heny amin’izany koa izy ireo hiarovana ireo haivoaary malagasy voakitika ao anatin’izany asa ataony izany. Izay no mahatonga ny orinasa manana ny sampan-draharahany manokana misahana ny resaka tontolo iainana ho fikajiana ireo haivoaary malagasy tafiditra ao anatin’ny toeram-pitrandraharany izay napetraka ao Ampandriantrandraka Moramanga. Miisa 211 ireo karazana zavamaniry, miisa 225 kosa ireo “orchidées” hita tany an-toerana amin’ireo karazany 1.000 misy eto amintsika, ka ny 09 tamin’izany dia tsy fahita eto ambonin’ny tany afa-tsy any an-toerana ihany. Miisa 344 ireo karazam-biby efa voaisa hatreto, ka isan’ny tafiditra tamin’izany ity karazana vitsika tsy hita afa-tsy ao Ambatovy Moramanga. Nomena ny anarana hoe “Ambatovy” izany taorian’ny fikarohana ara-tsiantifika azy. Nambaran’Atoa Rasamoelina Fanomezana misahana ity sampan-draharahan’ny tontolo iainana sy fiarovana ireo haivoaary eo anivon’ny toeram-pitrandrahan’Ambatovy ity, fa miditra amin’ny famerenana tsikelikely ireo ala tsy maintsy nosimbain’ny orinasa izy ireo izao, ka toerana 22ha no efa vita tanteraka amin’izao nefa efa manana tanjona 24ha isan-taona izy ireo manomboka izao mba hiverina toy ny endriny teo aloha ireo faritra nosimbainy. Maharaka tsara ny toeram-pambolena zanakazon’Ambatovy izay mirefy 01ha, izay hifanampiany koa amin’ireo vondron’ny vahoaka ifotony miisa enina any an-toerana. Manana olana anefa ireto ekipan’ny tontolo iainan’Ambatovy ireto amin’ireo zava-boahary hafa tafiditra ao anatin’ireo toerana arovana ireto, ka isan’izany ny fisian’ireo radriaka sy ny goavy entin’ireo vorona ary ny fozaorana. Efa manaisotra azy ireo tsikelikely ireto mpiasa ireto.
Malala Didier