Olona roa no indray maty tao amin’ny fokontany Safotaka, kaominina Vohipeno, distrikan’i Fenerivo atsinanana, faritra Analanjirofo, ka isan’izany Ingahy Théophile raim-pianakaviana 40 taona. Raha ny fanazavana dia nisy nandodona ny tranon’Ingahy Théophile tokony ho tamin’ny 11ora sy sasany tany ho any, ka nanokatra izany ny tenany. Vao nisokatra anefa ny varavarana tsy misy ny arahaba akory dia daroka fanoto avy hatrany no nahazo ilay tompon-trano ka voa ny loha sy ny hatok’Ingahy Théophile. Taitra ny tao an-trano nahare izany ka niezaka niantso vonjy sy nanenjika ireo nahavanon-doza, izay nandositra avy hatrany raha vita ny fidarohana an’i Théophile tamin’ny fanoto. Tsy namelan’ny fokonolona raha tsy tratra ireto andian-jiolahy ireto ka avy hatrany dia niharan’ny fitsaram-bahoaka. Tsy misy faty nohetsehina ireto faty roa ireto, ka niantso zandary avy any Fenerivo atsinanana izy ireo hanao ny famotorana. Ny sabotsy vao tonga ny zandary ka nanao ny famotorana, ka taorian’izay dia samy nandray ny razany ireto fianakaviana tsirairay avy, ary samy nanao taratasy izy ireo fa tsy hifampitory fa samy handevina ny azy avy. Ny mahagaga anefa, araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana ihany, dia takian’ny zandary vola 04 tapitrisa ariary ireto finakavian’i Théophile, ilay voadaroky ny fanoto teo amin’ny lohany sy hatony. “Tsy azo ekena ny toy izany”, hoy ny Kly Andriamambasoa Rindraniaina, komandin’ny vondrotombim-paritry ny Zandary Analanjirofo. Tsy maintsy hanokafana fanadihadiana ny trangan-javatra toy izao, hoy ity kolonely ity, nantsoina tamin’ny antso finday. Koa andrasana izay ho tohin’izao raharaha izao tsy ho ela…
Malala Didier