- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversATSINANANA : Raharaha oniversiten’i Toamasina Barikadimy : Mpianatra efatra niakatra fitsarana noho...

ATSINANANA : Raharaha oniversiten’i Toamasina Barikadimy : Mpianatra efatra niakatra fitsarana noho ny fandrobana fananan’olona

Taorian’ny fisamborana ireo mpianatra 19 nataon’ny Emmo-Securite nandritra ny fitokonan’ny mpianatra ao amin’ny Oniversiten’i Barikadimy, ny alahady 04 martsa teo, fotoana nandalovan’ny rivo-doza Dumazile tamin’ny fari-dranomasin’i Toamasina, izay niteraka fahatapahan-jiro teto Toamasina sy niteraka izao fitokonan’ny mpianatra izao, dia omaly no niakatra teo anivon’ny tonia mpampanoa lalana ny fitsarana ambaratonga voalohan’i Toamasina ny raharaha.

Mpianatra efatra. Taorian’ny fakana am-bavany ireo mpianatra 19 voasambotra voalohany ireo dia nisy ny anarana nivoaka nandritra ny fakana am-bavany nataon’ny mpitandro ny filaminana. Nisy noho izany ny famotsorana azy 19 mirahalahy, nefa nisy kosa ny fisamborana mpianatra efatra hafa izay voalaza fa nitarika ny fitokonana, sy ny fitoraham-bato ireo fiara sendra nandalo, ary nandroba ireo mpivarotra sy trano manodidina ny oniversite. Taorian’ny famotorana azy ireo dia izy efa-dahy ireto izao no niakatra fampanoavana omaly noho ny fitorian’ireo olona rava fananana. Tonga maro nanohana ireto efa-dahy teny amin’ny fitsarana ireo mpianatra namany.

“OMC”. Raha ny zava-nisy omaly dia tsy nijanona tao amin’ny biraony ny tonia mpampanoa lalana noho ity raharaha ity. Ireo mpianatra efa-dahy voasambotra tao anatin’izany dia tsy nentina teo anivon’ny fitsarana nandritra io fotoana omaly io fa nanjanona teny anivon’ny tobin’ny zandary. Ireo mpitandro ny filaminana mitambatra nampian’ny miaramila no nisahana ny fiambenana ny fitsarana. Omaly tolakandro, noho ity raharaha ity manomboka mampiakatra ny maripana eo amin’ireo mpianatra dia nisy ny fihaonana mangina teo amin’ny solontenan’ireo mpianatra sy ireo ekipan’ny OMC notarihan’ny Prefen’i Toamasina sy ny tonia mpampanoa lalana.

Hatramin’ny fotoana nanoratana ny vaovao dia mbola raikitra ny fifanazavana eo amin’ny ekipan’ny OMC Atsinanana sy ny solontenan’ny mpianatra, izay entina handaminan-javatra, satria hatreto dia tsy mbola fantatra ny mikasika azy efa-dahy voalaza ho tompon’antoka tamin’ny fitokonana nataon’ny mpianatra sy ny fandrobana fananana’olona tao Barikadimy ary fanimbana fananan’olona nandalo nandritra ity fanapahana ny lalam-pirenena faha-02 ity.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici