- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversATSINANANA - Taom-piotazana lodsia 2022 – 2023 : Nosokafana ny alatsinainy teo ny...

ATSINANANA – Taom-piotazana lodsia 2022 – 2023 : Nosokafana ny alatsinainy teo ny « guichet unique »…

Raha ny fandaharam-potoana ho an’ny faritra atsinanana sy ny Faritra Analanjorofo miaraka, amin’ny fanaovana ny fiotazana ny lodsia amin’ity taom-pihotazana 2022 – 2023 ity, dia nanomboka ny alatsinainy 14 novambra teo tamin’ny 9ora maraina ny fanaovana ny « guichet unique ».

Ao anatin’ity « guichet unique » ity no hisian’ireo sampan-draharaha rehetra maka ny hetra mandritra ny taom-piotazana, ka isan’ireny ny sampan-draharaha ny hetra Toamasina, ny sampana Statistique, ny kaominina, ary ny eo anivon’ny faritra atsinanana. Ny governora sy ireo mpiara-miasa aminy no niara-nanokatra ity « guichet unique », izay tsy nisy niova ny saran’ny vola alain’ireo sampan-draharaha samy hafa. Raha ny fanazavana azo tamin’ireo tompon’andraikitra dia tsy niova ny volan’ny fiara alain’ny sampan-draharaha ny hetra, fa mbola 130.000 ariary ny fiara latsaky ny 1,5T – 160.000 ariary ny fiara latsaky ny 03T – 180.000 ariary ny fiara latsaky ny 06T – ary 220.000 ariary ny fiara maherin’ny 10T. Ny eo anivon’ny kaominina kosa momba saran’ny fiantsonan’ny fiara eto Toamasina dia latsaky ny 01T eo amin’ny 40.000 ariary – latsaky ny 02T eo amin’ny 80.000 ariary – latsaky ny 05T eo amin’ny 120.000 ariary ary ny mihoatra ny 05T kosa dia eo amin’ny 160.000 ariary. Araka ny fanazavan’ny governora nanokatra izany dia nahatratra 1.333 ny mpanangom-bokatra naka ny taratasy mifanaraka amin’ny asa teto Toamasina ny taona lasa, ka ahiana ho latsaka be izany ireo mpanangom-bokatra amin’ity taona ity, noho ny olana ara-lodsia izay madinika ny ankamaroan’ny vokatra noho ny toetr’andro amin’ny tsy fahampian’ny orana izay tena ilainy vokatra lodsia anefa.

Ankoatra izany dia tokony nivoaka ny alatsinainy teo ihany koa ny datin’ny taom-piotazana, fa noho izay tsy fahampian’ny orana izay dia nahemotra ny faran’ny herinandro izao ny famoahana ny datim-piotazana ho an’ny faritra roa Atsinanana sy Analanjirofo. Mbola hisy fidinana ifotony ataon’ny faritra atsinanana sy ny vondron’ny mpanondrana lodsia na ny GEL, amin’ireo toeram-pamokarana izany lodsia izany amin’ity herinandro ity, izay hamaritra ny taom-piotazana 2022 – 2023.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici