- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversATSINANANA : Zandamariam-pirenena eto Toamasina : Hetsika « Mandio », ho fanatsaràna...

ATSINANANA : Zandamariam-pirenena eto Toamasina : Hetsika « Mandio », ho fanatsaràna ny filaminam-bahoaka

Niantso mpanao gazety ireo vondrom-pileovan’ny zandary eto anivon’ny fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena Toamasina, omaly misandratra andro, izay nahitana ny ao Analanjirofo sy Alaotra-mangoro ary ny Atsinanana, nentin’izy ireo nanazavana ilay “operation Mandio” ataon’izy ireo manomboka izao, izay tafiditra amin’ny fametrahana filaminam-bahoaka sy fandraisan’izy ireo anjara ihany koa amin’ny filaminam-pifidianana noho ny filana fitoniana eto amintsika amin’izao fotoam-pifidianana izao. Mizara telo miavaka tsara ity “operation Mandio” ataon’ny zandary eto Toamasina ity. Ny voalohany dia ny fametrahana filaminam-bahoaka amin’ireo tontolo ambanivohitra tena anjakan’ny asan-dahalo, tahaka ny misy eo amin’ny sisin-tany mampisaraka ny faritra Alaotra sy ny faritra Betsiboka, ao amin’ny distrikan’i Tsaratanana, izay tena itrangana asan-dahalo saika isan’andro, noho ity sisin-tany ity fandalovan’ny omby sy toerana be mpiompy omby ihany koa. Vokatry ny fisian’ny bizina be amin’izao halatra omby ao amin’ity sisin-tany Tsaratanana sy Andilamena ary Amparafaravola ity izao, dia saika ahenoana ihany koa fifampihantsiana sy fifampitifirana eo amin’ireo zandary sy fokonolona mpanara-dia omby hatrany any an-toerana, indrindra ao amin’ilay kaominina atao hoe Antsakoabe; izay tena mila alamina mba tsy hiteraka fifamonoana eo amin’ny samy zandary sy ny samy fokonolona indray vao hihetsika ny zandary malagasy. Ny faharoa dia ny fanamafisana ny fanaraha-maso ny lalam-pirenena ka ho an’ Atsinanana dia ny lalam-pirenena faha-02 no anjaran’izy ireo, amin’ny firongatry ny famakiana kaontenera sy kamiao ary taksibrosy. Misy ireo zandary mpanao fisafoana mandehandeha, ao kosa ireo mijanona manao fisavana ny fiara. Tafiditra amin’ny asan’ireto andiana zandary ireto koa ny manara-maso ireo mpiala sasatra misafidy ny lalam-pirenena faha-02 hanatrarana ilay “fialan-tsasatra hieren-doza” amin’ity taona ity ho an’ny zandary. Ny fahatelo farany dia ireo ekipa na zandary misahana ny filaminana an-tanan-dehibe amin’ny firongatry ny fanafihana mitam-piadiana ataon’ireo andian-jiolahy mitondra basy, sy mpandrava fananan’olona tsotra izao. Efa hisy noho izany ny fiaraha-miasa hataon’izy ireo amin’ireo andrimasom-pokonolona ao Ambalamanasy sy Toamasina « suburbaine » iny izao, noho ity kaominina sy fokontany ity tena anjakana sy anaovan’ireo “bandes des 11” ny asa ratsiny mihitsy tato ho ato izay. Ankoatra izay dia tafiditra amin’ity “operation Mandio” ity koa ny fanadiovan’ny zandary ireo olombelony mpihoa-pefy sy tsy manaja ny fitsipi-pifehezana amin’ny maha-ho an’ny tanindrazana sy ny lalana ary ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany azy ireo. Ho an’ireo mila vonjy ao anatin’izao “operation Mandio” izao dia afaka miantso ny zandary eto Toamasina amin’ny 034.05.701.39; 034.14.005.69; 034.14.006.56; ary ny 034.20.145.97, izy ireo.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici