- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAtsinanantsena Sabotsy Antsirabe : Trano lehibe telo may kilan’ny afo

Atsinanantsena Sabotsy Antsirabe : Trano lehibe telo may kilan’ny afo

Marihina fa tsena avokoa ny ambany rihana. ( sary Andry N)

Nitrangana hay trano mahatsiravina indray teto Antsirabe ny alin’ny talata hifoha alarobia teo. Trano lehibe telo mifanila no indray kilan’ny afo, tsy nisy  noraisina intsony.

Tao Atsinanantsena Sabotsy no nitranga ny loza, tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany tany ho any raha ny filazan’ny iray tamin’ireo niharam-boina. Fantatra fa tao amin’ny trano iray fanamboarana vata fampangatsiahana no niantombohan’ny afo. Vokatry ny herin’aratra no voalaza fa nipoiran’ny afo voalohany tao amin’io efitra io. Nipoaka ny gaz tamin’ireo vata fampangatsiahana ireo ary poa tahaka izay dia nirederada ny lelan’afo, hoy ny  fanazavana . Vetivety dia nitatra ny afo ary tsy voafehy intsony. Marihina, hoy ny niharam-boina, fa saika gorodona avokoa ny elanelana mampisaraka ny ambony sy ambany ka nahatonga ny firehetan’ny trano rehetra. Niezaka namono ny afo ny fokonolona saingy tsy nahefa firy vokatry ny firedaredan’ny afo. Naharitra ora efatra vao levona ny afo, tsy nisy azo noraisina intsony fa dia ny akanjo teny an-koditra sisa tavela, hoy hatrany ny niharam-boina.  Marihina fa fianakaviana 9 no nonina tao amin’ity trano kilan’ny afo ity ary tsena avokoa no tao ambany rihina manamorona ny arabe. Isan’izany ny mpivarotra kojakojana moto , nisy barika feno menaka tao amin’ity farany ka isan’ny nampiredareda ny afo ny fipoahan’ izany. Mifanila aminy ilay mpanamboatra vata fampangatsiahana, “kiosque” ary mpanao volo . Isan’ny voa mafy ihany koa ny Cyber café iray satria dia may tao avokoa ny solosaina rehetra sy ny kojakoja amin’izany.  An-tapitrisany maro ny fahavoazana, ary maherin’ny 40 ireo tsy manan-kialofana tampoka. Soa aloha fa tsy nisy ny aina nafoy tamin’ity hay trano ity fa ny fahavoazana no be.

 Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici