- Publicité -
mercredi, octobre 29, 2025
AccueilFaits-DiversAtsirasira-Maevatanàna II : Fololahy nanafika, lasa ny omby 50.

Atsirasira-Maevatanàna II : Fololahy nanafika, lasa ny omby 50.

Fololahy nanafika tanàna, tao amin’ny fokontany Atsirasira, Kaominina Maevatanàna faharoa, ny Asabotsy 21 Oktobra lasa teo, tokony ho tamin’ny 09 ora alina. Lasan’ireo olon-dratsy ny omby 50, ary voaraba ihany koa ny vola tao an-trano sy ny entana rehetra. Araka ny fantatra, vao niditra ny tanàna ireo jiolahy dia nanapoaka basy, ary nitsoka kiriorioka, norahonany tamin’ny « Kalacknikov» sy « basim-borona,» ny olona tany an-toerana. Ary noterena hamoaka ny omby sy ny vola niaraka tamin’ireo entana rehetra tao an-trano. Tonga tany an-toerana ny mpitandro ny filaminana, saingy efa tsy nahatratra ireo jiolahy intsony izy ireo. Matahotra ary ao anatin’ny horohoro  tanteraka ny mponina, noho ity asan-jiolahy izay manjaka ato amin’ny disitrikan’i Maevatanàna ity. Efa eo am-pikarohana ireo jiolahy nanafika ny Zandary avy eto Maevatnàna, niaraka amin’ny fokonolona.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici