- Publicité SW45 -
vendredi, décembre 27, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAutisme Madagascar : Milaza ho niharan’ny herisetra ny filoha mpitarika

Autisme Madagascar : Milaza ho niharan’ny herisetra ny filoha mpitarika

Ampahany tamin’ilay horontsary niparitaka.

Nampihetsi-po olona efa ho 4.600 isa tany ho any ary nozarain’ny olona 700 mahery. Niparitaka tamin’ny tambazotra sosialy ny horonan-tsary naneho fihetsika somary maherisetra nataona mpitandro filaminana, niaraka tamin’ny fanazavana avy amin’ny filohan’ny fikambanana Autisme Madagascar, Mbolatina Raveloarimisa momba ny tranga iray teny Itaosy.

Milaza izy fa niharan’ny fanararaotam-pahefana, niharan’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy ary fanitsakitsahina zo avy amin’ny zandary avy etsy amin’ny tobim-paritra Itaosy ny tenany. Nanambara izy fa niteraka ratra maro teo amin’ny vatany izay tranga izay fa ny tena mampalahelo dia teo imason’ny zanany izay Autiste no nikasa hiditra an-keriny ireo zandary hambarany fa tsy manana taratasy na alalana. « Mankasitraka an’ireo mpitandro ny filaminana manao vy very ny ainy ho an’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fanany saingy manaitra ny rehetra indrindra ireo tompon’andraikitra fa misy ireo izay mampiasa izay andraikitra na fahefana nomena azy izay ho lasa herim-pamoretana ka manao fihetsika mifanohitra amin’ny lalàna sy zon’olombelona », hoy izy. Niainga tamin’ny fitoriana noho ny varotra fiara nifanaovan’ny vadiny sy olona iray ity raharaha ity. Nilaza izy anefa fa nisy ny fifandisoana tao anatin’ny taratasy nifanekena ka niteraka disadisa ary niafara tamin’ny fitoriana izany. Nitory moa ny andaniny ary nametraka fitoriana ihany koa izy ireo.

Ny teo anivon’ny zandarimaria, raha nanontaniana mahakasika ity raharaha ity dia nanazava, tamin’ny alalan’ny lehiben’ny tobim-paritra teny Itaosy fa tsy nisy mihitsy ity fikasihan-tanana sy ny fanararaotam-pahefana voalaza ity. « Ampahan-tsary fotsiny ireny navoaka eny anivon’ny tambazotra sosialy ireny izay nalainy fa izahay ihany koa anefa manana afaka atao porofo». Raha ny mahakasika ilay tsy fisiana taratasy fiantsoana ilay terantany vahiny vadiny dia nanazava izy ireo fa « nisy dia nisy tokoa io taratasy fiantsoana azy ho eny amin’ny birao io saingy nandà ny handray azy hatrany izy ireo : na ny naterina tany an-tranony na ny teny amin’ny fokontany ». Miandry izay tohin’ny raharaha araka izany ny rehetra.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici