Nosamborin’ny polisy ary nanokafana fanadihadiana avy hatrany. “Naiditra am-ponja vonjimaika ao Antsirabe ny tompon’andraikitry ny fitaterana an-tanety ao amin’ny faritra Vakinankaratra ny zoma lasa teo. Fanararaotam-pahefana sy fampiasana ary fanamboarana taratasy hosoka no antony nanenjehana azy”, raha araka ny fampitam-baovaon’ny polisim-pirenena. Notohizan’io loharanom-baovao io, fa nampiasain’ilay tompon’andraikitry ny ATT nitondrana olona an-tsokosoko ireo fiarany ny fahazoan-dàlana izay namboariny avy tamin’ny alàlan’ny hosoka. Saron’ny polisy anefa izany fanararaotam-pahefana izany. “Rehefa nosavaina ny taratasin’ireo fiara ireo dia hita fa hosoka avokoa. Taorian’ny fanadihadiana natao, dia natolotra ny fitsarana ity farany ary notazomina am-ponja vonjimaika niaraka tamin’ny olona iray hafa”, hoy hatrany ny vaovao ofisialin’ny polisim-pirenena; izay nanipika fa mbola hoentina hiakatra eto an-dRenivohitra ilay tompon’andraikitra. Io farany dia tsy iza, fa ny talem-paritry ny fitaterana an-tanety izay hotohizan’ny « pole anti corruption » ny fanadihadiana azy. Manomboka mivoaka tsikelikely amin’izay ankehitriny ny anton’ny mbola nisian’ireo afaka nandia faritany na dia efa nisy aza ny fandraràna momba izany. I Vakinankaratra no isan’ny nalaza tamin’izany noho ny mbola fisian’ny fiara nivezivezy, indrindra ny vao maraina. Mazava izany, fa nisy ny tompon’andraiki-panjakana izay nanao bizina ny fahefany mba hahafahana mitatitra olona izay hangalana saran-dàlana lafo dia lafo izany. Raha 10.000ariary mantsy ny saran-dàlana tamin’ny mbola tsy nisy Covid-19, nisy sahy ny nandoa avo dimy heny ka hatramin’ny avo folo heny teny amin’ny jonobotry. Jonobotry izay ny tompon’andraiki-panjakana ihany izany ny tao ambadiny raha araka ny fanamarihan’ny polisy; izay deraina ny fahasahiany niroso tamin’ny fisamborana. Manodidina izay fanaovana hosoka amin’ny fanomezan-dalana izay hatrany, isan’ny naneho ny hatezerany sy ny ahiahiny ihany koa ny Profesora Hanitra Vololontiana, mpitondra teny ofisialy eo anivon’ny CCO eny Ivato, omaly. Tafakatra 150 000 ariary ka hatramin’ny 200 000 ariary ny fanomezan-dalana manokana na ahazoana mivezivezy eny amin’ny lalam-pirenena amin’ireo mpanao kolikoly amin’izany, hoy izy. Antony ho tena nampiparitaka ny Coronavirus avy any amin’ny Faritra Atsinanana nakany Vakinankaratra izany ka tokony handraisana fepetra hentitra sy haingana, hoy ihany izy nanamafy.
D.R