
Hateloana no niarahan’ireo mpisehatra nidinika sy namolavoala ny paikady ho enti-miatrika ny fifindra-monina miseho ao amin’ny ilany atsimon’ny nosy, atrikasa iarahana amin’ny OIM sy ny PNUD natao teto Antsirabe ny herinandro lasa teo. Ny faritra avy ao Androy no mifindra monina ao Menabe, ny fiovaovan’ny toetry ny andro no tena antony manosika ny Antandroy hifindra monina ao Menabe satria tsy misy rotsak’orana ao Androy.
Mahazo tsindry noho izany ny ao Menabe noho ny tsy firindran’ity fifindra-monina ity, ripaka ny faritra arovana, mahatratra anarivony hektara ny ala efa simba. Fambolena katsaka sy voanjo no ataon’ireo mpifindra monina ireo, marihina anefa fa tsy mijanona ao Menabe izy ireo fa rehefa fotoanan’ny fambolena ihany no miseho ity fifindrana ity aorian’izay ny fakana ny vokatra.
Nojerena nandritra ny atrikasa ny paikady eo amin’ny fandriam-pahalemana, ny ara pasalamana ny sosialy sy ny ekonomia amin’ny fianan’ny olona na ireo mpifindra izany na ny mpandray hoy ny solombavambahoaka avy ao Manja Richard Fihenena.
Aorian’ny atrikasa dia hoentina any amin’ny mpamatsy vola ny paikady sy ny tokony hatao hanatanterahana ny vina napetraka ohatra ny fametrahan tohadrano any amin’ny faritra atsimo.
Avadika ho tombontsoa ny fifindra-monina miseho ao Antsimo andrefana satria tombontsoa ho an’ny Malagasy ny fahasamihafana, tsy misy rahateo ny lalàna mifehy ny fifamezivezana eto amin’ny repoblikan’ny Nosy. Miteraka asa sy fampandrosoana toerana iray ny fifindra-monina hoy Ravelonandro Christian José mpahay manokana ny fifandra-monina , nisy toerana tao Menabe antsoina hoe Manamby na tsena aza tsy nisy fa noho ny mpifindra monina dia lasa misy tsena isakerinandro ankoatra ny fisian’ny asa amin’ny resaka fambolena saingy ilaina fandaminana daholo izany rehetra izany.
Andry N .