Mirarakompana ny fitarainan’ny olona, noho ny fampitahoran’ny teratany frantsay iray ny mponina eny Ambohimamory sy Avarabohitra Itaosy. Ireo olona ihany no nilaza, fa marobe ny tany lasany teny an-toerana avy amin’ny fampiasana taratasy hosoka. Ilay vazaha rahateo dia manindry tsotr’izao ireo mponina ary mirehareha, fa mahafantatra olona ambony no sady mahavita mividy ny mpitondra fanjakana. Entiny hanorohoroana ny olona izany fa tsimatimanota izy eto Andrenivohitra. Marobe ny fitoriana izay mianjady amin’ny tenany eny amin’ny fitsarana, tao anatin’ny folo taona misesy izay ary mbola handrasana avokoa ny ankamaroan’ny didy momba izany. Ankehitriny, sady matahotra ny fananany sao ho lasan’ity vazaha ity ny olona no matahotra ny ainy ihany koa. Toy izay nitranga ny zoma lasa teo : norahonan’ilay vahiny ny olona iray izay manana raharaha mihantona eny amin’ny tribonaly aminy. Nompainy tsotr’izao ilay renim-pianakaviana ary tsy vitan’izany, fa mbola niverenany tamin’ny fiara koa dia mbola norahonany am-bava. Sendran’ny vehivavy sahy ity vazaha ity ka azony sary tsara avokoa ny zava-nitranga. Omaly ihany dia efa tonga teny anivon’ny pôlisy misahana ny sisin-tany sy ny fivezivezen’ny vahiny ny fitoriana, noho ny fandrahonana. Rehefa nohadihadiana ny momba ity vazaha ity, dia fantatra fa efa noroahin’ny fanjakana malagasy izy tamin’ny jolay 2004 noho ny fitorian’ny olona maro azy. Heverina arak’izany, tamin’izany fotoana, fa tsy ilaina eto amintsika ary manakorontana ny filaminam-bahoaka ny fipetrahany eto amin’ny firenena. Mahatalanjona anefa, fa ankehitriny dia eto an-toerana soa aman-tsara izy ary miverina manao ny fanaony indray. Sanatria ve, 14 taona taty aoriana, dia toy ny tany tsy misy fanjakana ny fiheverany an’i Madagasikara ?
D.R