- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAvaradoha : Fiarana mpanao gazety very, nitondra basy ny mpangalatra

Avaradoha : Fiarana mpanao gazety very, nitondra basy ny mpangalatra

Tokony ho tamin’ny roa ora maraina, omaly, no tonga teo amin’ny toerana fametrahana fiara eo an-toerana ny jiolahy iray nitam-basy. Efa nitondra ny fitaovana famahana ny fiara izy ary teo am-panaovana ny asany no tsikaritry ny mpiambina. Raikitra teo ny savorovoro sy ny fifanandrinana teo amin’ny roa tonta. Nampiasa basy ilay jiolahy rehefa hitany fa ho ratsy ny tantana. Voa teo amin’ny tànany ny mpiambina. Ny feom-basy no nanaitra ny manodidina izay nivoaka avy hatrany ary nifanome tànana tamin’ny fisamborana ilay olon-dratsy. Ary dia azo tokoa. Teo dia mbola nisy savorovoro fanindroany indray, satria raha nanapa-kevitra fa hoentina any amin’ny biraon’ny polisy ilay jiolahy, hay izy mbola nahavita nanavo-tena indray. Fotoana fohy izay niadian’ny olona hevitra ny amin’izay hanaovana azy sy ny nangalana ny fitaovana izay nampiasainy ka niparitaka teo amin’ny manodidina, dia efa tafatsambikina tao amin’ny seza anoloan’ilay fiarakodia Clio izy. Novelominy izany ary dia nentiny nirifitra ka tsy hita intsony nanomboka teo. Talanjona ny rehetra ary ny hany azo natao, dia nampiana ny fampandrenesana ny mpitandro ny filaminana mba hanao barazy sy ho mailomailo isaky ny mahita fiara kely. Hatramin’ny omaly dia mbola tsy nahitam-bokany aloha ny fikarohana ity fiara ity. Naparitaka eran’ny biraon’ny mpitandro ny filaminana ny sarin’ny fiara ary torak’izany koa tamin’ny tambajotran-tserasera. Etsy andanin’izany, mahatalanjona ny fahasahian’ilay mpangalatra. Ao anaty « parking » ary misy miambina ny fiara no mbola sahiny ihany ny nanao ny asaratsiny ary nampiasainy basy koa aza. Mbola nisy taratasy maro tao amin’ilay fiara ary izany dia saika mahakasika ny asan’ny tompony avokoa, ankoatry ny « permis » sy ny taratasin’ny fiara. Mpanao gazety ny tompon’ity fiara izay nisy nangalatra ity.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici