- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAvaradoha : Môtô dimy may kilan’ny afo

Avaradoha : Môtô dimy may kilan’ny afo

Tao anatina « parking » ana olon-tsotra, tetsy Avaradoha no nitranga ny loza. Môtô dimy be izao no indray kila’ny afo tanteraka, tsy nisy azo noraisina ny alin’ny sabotsy teo, tokony ho tamin’ny 11 ora tany ho any. Tsy fantatra mazava hatreto izay tena antony nahatonga ny loza, raha ny voalazan’ireo olona teny an-toerana. Hatairana tsy misy toa izany no nahazo ity mpiambina, raha vantany vao nirehitra ireo môtô. Araka ny fantatra dia folo ireo môtô no nilahatra tao amin’ity « parking » ity tamin’io alina io. Raha vantany vao nirehitra ny voalohany dia efa nanao izay ho afany namono izany ity mpiambina ity, nampiana olona vitsivitsy teo an-toerana. Avotra ny dimy tamin’izany fa ireo dimy ambiny kosa dia tsy nisy noraisina intsony. Mandeha amin’izao fotoana izao ny fanadihadiana.

Fa ankoatr’izay dia kamiôbe « remorque » nitondra entana hoany Toliara no kila hotohoto tanteraka tany Ankaramena, ny sabotsy teo ihany. Avy aty Andrenivohitra no niainga ity kamiô be feno entana ity. Tsy fantatra mazava izay tena fototry ny afo, fa raha ny filazan’ny mpamily, izay toa lasa very saina tanteraka tamin’ity loza ity, dia ny kodiarana aloha no nisy fahavakisana. Ankevitry ny niteraka pitik’afo angamba izy io ka nihazo ny solika ary nampirehitra ilay fiarabe. Tafakatra aman-tapitrisany maro ny zavatra potika, ambonin’ilay fiarabe, izay lasa lavenona sisa.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser