- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAvaradoha : Môto may kila forehitra

Avaradoha : Môto may kila forehitra

Karaom-by sisa no navelan’ny afo tamin’ilay môtô, miteti-bidy an-tapitrisany maro. Nirehitra tetsy amin’ny lalana rarivato, mampitohy an’Ampasampito sy Besarety iny, ao ambadiky ny hôpitaly miaramila etsy Soavinandriana, omaly maraina. Tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra saingy ny fananana kosa no potika tao anatin’ny indray mipi-maso monja. Tsy fantatra mazava hatreto izay tena antony nahatonga ity loza ity, fa araka ny vinavinan’ireo mpitazana dia tsy maintsy ho tselatr’afo nahazo ny lasantsy izany, izany hoe « court-circuit » ary nampirehitra ny lasantsy tao anaty « reservoir ». Araka ny filazan’ny tompony, tamin’io fotoana nitrangan’ny loza io, tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany maraina tany dia raha iny izy hidina an’ilay fidinana iny no nisy zavatra toy ny nipoaka kely tao ambany ny sezany. Môtô mbola vaovao raha ny fijery izany ary vita fikarakarana tsara hoy ny tompony, saingy ny loza tsy mampilaza ary ny tampoka tsy mahalehilahy. Nampihetsi-po ny rehetra tao anaty tambazotra sosialy moa ity loza ity ary nisy mihitsy ny finiavan’ireo mpitia kodiaran-droa ny hanome voin-kava-mahatratra ity niharam-boina.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici