Notifirin’ny jiolahy teo amin’ny lohany ilay ramatoa tompon’ny tsena. Naratra mafy koa ireo mpibata entana roa lahy tao amin’ilay toerana. Izany no herisetra nateraky ny asan-jiolahy izay nitranga tamin’ny andro antoandro omaly. Tetsy Avaradoha, tokony ho tamin’ny iray ora tolakandro, no nanafika ny toeram-pivarotana amin’ny ambongadiny zava-pisotro ny efa-dahy izay nitazona basy efatra ihany koa. Nitsoaka tany anaty elakelan-trano izy ireo rehefa vita ny asaratsy. Raha ny tomban’ny polisy izay nanao ny fisafoana dia efa nisy kodiaran-droa niandry izy ireo tany aloha tany ary ireo fitaovana ireo no nentina nitsoaka. Ny tena nampihoron-koditra dia ny fahenoana fa tsy nisy fandrahonana tamin’ny basy akory fa avy hatrany dia nampiasaina ireo fitaovam-piadiana mba nitifirana. Tsy nisy resaka izany raha vao tafiditra tao amin’ilay trano fivarotana fa avy hatrany dia ny nitifitra izay olona hitany tao no nataon’ireo olon-dratsy. Lasa ny vola izay maty iny andro iny. Tsy mbola voafaritra mazava ny tetin’izany satria ny namonjy ny ain’ireo olona telo izay naratra mafy aloha no tena nahamaika. Omaly ihany dia nanome fanampim-panazavana momba ity fanafihana ity ny polisy. « Nizotra nandeha an-tongotra nihazo an’i Soavinandriana izy efa-dahy, raha araka ny hita tamin’ny horonan-tsarin’ny camera vidéosurveillance an’ilay toeram-pivarotana. Rehefa tonga teo amin’ilay tranombarotra dia niditra tsiroaroa, olona telo no novantanin’izy ireo tao, ilay vehivavy tompon’ny tranom-barotra niaraka tamin’ny olona roa. Nitifitra avy hatrany ireto jiolahy ka voa teo amin’ny lohany ilay vehivavy izay fantatra fa maty rehefa avy niala-nenina teny amin’ny hopitaly. Ireo roa sisa kosa naratra voatifitra teo amin’ny lamosiny sy ny tanany » raha araka ny fanazavana. Ny loharanom-baovao mitovy ihany no nahafantarana fa mitentina iray tapitrisa ariary ny vola izay lasan’ireo jiolahy ary izany dia niaraka tamin’ny finday izay hitan’ireo tao an-toerana. Tonga teny ny polisy marobe avy amin’ny Uir sy ny Fip ary nanao ny fanarahan-dia ny olon-dratsy. Mitohy ny fikarohana hatramin’ny ora nanoratana.
D.R