- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversAvaradoha : Trano telo nirehitra ny alin’ny faran’ny taona

Avaradoha : Trano telo nirehitra ny alin’ny faran’ny taona

Alin’ny faran’ny taona sy nieren-doza ! Trano telo indray nirehitra teny Avaradoha nandritra ny lanonana ny alin’ny faran’ny taona teo. Tokony ho tamin’ny 2 ora maraina teo no nisy niantso vonjy fa mirehitra ny trano. Ny manodidina amin’io mbola ao anatin’ny lanonana mitabataba anaty mozika, ka tsy naheno ny antso vonjy raha tsy elaela. Efa nidedaka ny afo ary niitatra tamin’ireo trano telo ireo. Araka ny fanazavan’ny teny amin’ny manodidina, niatomboka tamin’ny trano iray somary kelikely ny afo, ary niitatra tamin’ireo eo akaikiny. Nisy tsy tao an-toerana ny olona tamin’ireo, kanefa tao kosa ny olona tamin’ireo trano mifanila. Tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina namono ny afo izay naharitra teo amin’ny adiny roa teo, vao maty tanteraka. Efa ny maraina, mbola nahitana setroka nivoaka ihany ireo trano may. Soa ihany fa tsy nisy aina nafoy sy naratra fa ny fahasimbana fananana kosa no betsaka. Tsy mbola fantatra izay anton’ny fiatombohan’ny afo. Efa misy ny fanadihadiana misokatra momba ny fahamaizana. Ny maraina, efa nanomboka nanarina ny zavatra simba ny tompon-trano. Tao anatin’ny fahakiviana satria vao manomboka ny taona dia efa loza no nitranga. Tokony hitandrina ny hafa andaniny satria teo-javatra kely monja dia mety hitera-doza ka iteraka faharavam-panana ao anatin’ny fotoana fohy.

Yv Sam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici