- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-Divers Avaradrano : Mirongatra ny halatr’omby avadika ho hena vetivety

Avaradrano : Mirongatra ny halatr’omby avadika ho hena vetivety

Toa tsy mety mijanona mihitsy ny halatr’omby anaty fahitra amin’iny Avaradrano iny. Manomboka aty Ilafy, ka miampaka hatrany Talata Volonondry. Tamin’ny faran’ny herinandro teo, ombin-tsarety roa no nisy nangalatra tao amin’ny toerana nasiana azy teny avaratr’Ilafy. Raha vao nahafantatra ny olona, dia natao ny fikarohana. Hatramin’izao anefa, tsy hita mihitsy ireo omby roa ireo. Araka ny fantatra dia misy andian’olona manao izany. Alainy ny omby, entiny anaty alana kininina na anaty kirihitra, dia ao no vonoiny. Alina iray ihany no voalaza fa anaovany izany. Rehefa manao ny fanarahan-dia ny mponina, matetika, ny hoditra, ny taova ary ny tongontr’ireo biby sisa tratra. Lasan’ireo mpangalatra ny tena hena. Ireo efa niharan’izany dia variana fa vetivety ihany no andrasàn’ireo mpangalatra ny omby ary voamarika fa na ny taolana aza tavela. Ny nofony no tena entin-dry zalahy. Ho an’iny faritr’Ilafy iny, eny amin’ny toerana Ambohimahilala matetika no ahitana ny sisa tavela amin’ireo omby misy mangalatra amin’ny alina. Tamin’ity indray mandeha ity anefa, tsy mbola hita soritra mihitsy ny nitondran’ireo mpanao latsak’alina na ny namonoana ireo omby roa. Ho an’ireo mahafantatra ity karazana halatra ity, misy ny milaza fa amidy aty and-renivohitra ny hena. Entina fiara mpitatitra vao maraina be izany matetika, atao anaty gony ary efa misy ny mpandray halatra. Efa taona maro no nisy ity zavatra ity ary miseho lany hatrany. Ankoatra ny halatr’ omby, manomboka koa izao ny halabotry isan-karazany. Tsy misy miangana ny voly eny an-tsaha, na dia mbola tsy tonga amin’ny fotoana tokony hakana an’izany aza.

Nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser