Enin-dahy izy ireo no voasambotry ny avy eo anivon’ny pôlisim-pirenena, izay samy ao anatin’ny tambazotran-jiolahy mpanao fanafihana, nampitondra faisana iny distrikan’Avaradrano iny.
Raha ny vaovao azo, ny herinandro lasa teo dia nitranga fanafihana mitam-piadiana teny amin’iny faritra Soavinimerina iny. Dimy ny isan’ireo jiolahy nanafika tamin’io fotoana io, hoy ny vaovao. Nahazoan’ireo olon-dratsy vola an-tapitrisany, niaraka tamin’ny firavaka sarobidy maro isan-karazany sy kojakojan-trano maro tamin’io tokatrano voatafika. Taorain’izay moa dia nametraka fitoriana avy hatrany tompon-trano ary nanokatra ny fanadihadina, entina hikarohana ireo mpanao ratsy ny polisy avy eo anivon’ny kaomisaria foibue Avaradrano, niaraka tamin’ny BC tetsy Anosy. Tsy niandry ela fa taorian’izay dia nisy olona roa voasambotra, hoy hatrany ny vaovao, tetsy Besarety. Tsy nisalasalana fa isan’ireo nandray anjara tamin’ny fanafihana ireto roalahy ireto satria tamin’ny fisavàna ny tranony dia mbola nahitàna ny ampahan’ny entana nangalarina tamin’io fotoana io. Tsy nijanona teo ny fanadihadiana, nitohy ihany izany. Iretsy voasambotra ihany koa, nanoro ny namany mpiray tsikombakomba tamin’izy ireo, tao anatin’ilay fanafihana. Efa isan’ireo mpanao fanafihana nikoizana teny an-toerana izy ireo, ary tsy niandry ela ihany koa dia voatsimpona tsirairay izy ireo. Hatreto, hoy ny vaovao, dia miisa enina ireo voasambotra sy eo am-pelan-tanan’ireo mpanao famotorana. Efa natolotra ny Fampanoavana ny faran’ny herinandro teo ireto olon-dratsy ireto ary samy nadoboka am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy avokoa.
m.L