- Publicité -
vendredi, juin 20, 2025
AccueilFaits-DiversAvaradrano : Tokantrano telo nasesin’ny jiolahy, olona iray maty, iray hafa...

Avaradrano : Tokantrano telo nasesin’ny jiolahy, olona iray maty, iray hafa naratra mafy

Nirefotra ny basy, nandriaka ny rà, teny Avaradrano sy ny manodidina iny. Ny alin’ny talata lasa teo, tokantrano telo be izao no indray nasesin’ny andian-jiolahy notafihana, tao amin’ny kaominina Vilihazo Avaradrano. Ny tokantrano voalohany no tena nitondra faisana indrindra. Maty notifirin’ireo jiolahy, izay niisa teo amin’ny 14, ny renim-pianakaviana iray, 44 taona, voa teo amin’ny tongony kosa ny rangahy vadiny. Tsy nisy aina nafoy, na olona naratra kosa ireo tokantrano roa hafa. Na dia izany aza, entana sy firavaka volamena ary vola telo alina ariary no lasan’ ireo olon-dratsy. Raha ny fantatra hatrany dia nirongo fitaovam-piadina maherivaika ireto andian-jiolahy ireto, basy kalaky niaraka tamin’ny PA ary basim-borona. Nanomboka tany amin’ny 9 ora alina latsaka kely tany ho any ny fanafihana. Mpivarotra iray tao Ambohitoto no niharan’izany. Nanapoaka basy avy hatrany ireo jiolahy raha vantany vao tafiditra ny trano. Voan’ny bala teo amin’ny kibony ilay renim-pianakaviana ka namoy ny ainy avy hatrany. Saika hitsoaka kosa rangahy vadiny no tratran’ny balan’ireo jiolahy teo amin’ny tongony ka tsy afa-nihetsika intsony. Rehefa avy nahazo izay notadiaviny ireo olon-dratsy dia nifindra toerana indray. Tokantrano iray tao Fiheferana, tokony ho tamin’ny 10 ora alina tany ho any. Lasan’izy ireo ny entana maramaro tao amin’io tokantrano io. Torak’izany ihany koa ny nahazo ny tokantrano iray, tao Ambohitrandriana, izay mbola ireo jiolahy ireo ihany, tokony ho tamin’ny 11 ora alina tany. Saika mitovy avokoa moa ny zavatra notakian’ireo jiolahy vao tafiditra ny trano izy ireo. Ireo mpitandro filaminana kosa, raha vao nahare ny fanafihana dia tonga haingana teny an-toerana, saingy efa nadio ny rano nitàn’ireo jiolahy ireo. Mbola mitohy araka izany ny fikarohana. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy kosa ilay raim-pianakaviana naratran’ny bala.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser