- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversAvaratetezana-Ampitatafika : Fatin-delahy hita nitsingevana tao amin’ny reniranon’i Sisaony

Avaratetezana-Ampitatafika : Fatin-delahy hita nitsingevana tao amin’ny reniranon’i Sisaony

Lehilahy  iray izay efa maty no tazan’ny olona nitsingevana tao amin’ny reniranon’i Sisaony mandalo ao amin’ny fokontany Avaratetezana, kaominina Ampitatafika, distrikan’Antananarivo-Atsimon-drano, omaly maraina. Nampandre ny zandary avy hatrany moa ireo fokonolona eny an-toerana rehefa nahita izany sady nampakatra ny razana ety an-tanety. Nidina teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana niaraka amin’ny dokotera avy ao amin’ny CSBII Faliarivo nizaha ny razana. Nandritra izany no nahitana fa maty an-drano ity olona ity, tsy fantatra ny momba azy. Tsy nahitana taratasy milaza ny mombamomba azy izy na dia mbola teny aminy avokoa aza ny fitafiany. Akanjo « tee-shirt » maitso sy pataloa « survêtement » manga ary « tennis » no nanaovany. Miravaka « bracelet » ny tanany havanana. Efa nalefa eny amin’ny tranompaty moa ny razana.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici