- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAvaratr’Ankatso : Mpanendaka nifanenjehan’ny fokonolona

Avaratr’Ankatso : Mpanendaka nifanenjehan’ny fokonolona

Ela nitoratorahana. Lehilahy iray no voasambotry ny fokonolona teny amin’iny faritra Avaratr’Ankatso iny raha teo am-panendahana tovovavy iray teny an-toerana. Ny talata hariva teo no nitrangan’izany. Araka ny vaovao voaray dia efa narahan’ity mpanendaka ity ela ilay tovovavy ary niandry fotoana fotsiny izy hanaovana ny asa ratsiny. Efa teo am-pamohana ny vavahadin’ny tranony izy no nohararaotin’ilay olon-dratsy nalaina ny zavatra teny aminy. Nisy nahita izany zavatra izany ka nifanenjehan’ny rehetra ilay totakely, ary tsy namelàna raha tsy tratra. Natolotra ny pôlisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo avy hatrany moa ity olon-dratsy ity.

Anisan’ny iray mbola mampirongatra ity resaka tsy fandriam-pahelamana ity, na asan-jiolahy io na fanendahana sy harom-paosy dia ny fahafantaran’ireo mpanao ratsy fa tsy misy sahy hitoroka na hisambotra azy ireo fokonolona, na izay mahita ny asa ratsy ataony. Izany dia noho ny tahotry ny valifaty sy ny fampihorohoroana ataon’ireo totakely ireo. Kanefa rehefa misy ny firaisan-kina ary sahy manohitra izany sy mandray andraikitra avy hatrany ny fokonolona dia azo inoana fa maro amin’ireo mpanao ratsy no hipetraka tsara. Tsy misy lehibe noho ny vatolampy tokoa mantsy hono fa rehefa tsy miteny dia hanaovan’ny vorona maloto.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici