- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAvaratr’Ankatso : Rotiky ny bala ny kibon’ilay mpitsabo, voa teo amin’ny tongony...

Avaratr’Ankatso : Rotiky ny bala ny kibon’ilay mpitsabo, voa teo amin’ny tongony ny zanany

Mbola mampametra-panontaniana ny maro, ary fanontaniana tsy mbola nahitam-baliny foana hatreto ny hoe, basy avy aiza ireo entin’ny jiolahy manafika ? Tsy vitan’ny poleta vita gasy intsony mantsy fa efa tena fitaovam-piadiana mavesatra mihitsy, toy ny kalaky sy ny tariny, no entin’ireo jiolahy. Ary dia nahafaty olona indray izany teny Avaratr’Ankatso ny alarobia alina teo.

Raim-pianakaviana iray, mpitsabo mamy hoditra amin’ny mponina eny amin’iny faritra iny no nindaosin’ny fahatesana, vokatry ny bala enina be izao, nandrotika ny kibony. Ny zanany lahy, niaraka taminy, naratra, voan’ny bala teo amin’ny tongony. Vola maromaro , miampy ireo entana sarobidy tao an-trano no lasa. Izay no vokatry ny fanafihan-jiolahy tao amin’ny tokantrano nisy azy ireo teny Avaratr’Ankatso ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy lasa teo. “Antsasak’adiny mahery kely teo, taorian’ny fiafaran’ny baolina tamin’ny fahitalavitra, ary izahay handeha hiomana hatory iny no naheno zavatra nipoaka tamin’ny varavaram-by tao alatrano”, hoy ny fitantaran’ity zanaky ny maty, ny tranga mampihoron-koditra niainan’izy mianakavy io alina io. Tsy nisy afa-tsy izy mianaka irery no lehilahy tao an-trano, ka samy niara-nijery ny zava-misy izy ireo. Hatairana, tahotra ny azy mianakavy raha nahita fa efa baramina no mitsofoka eo amin’ny elakelam-baravarana ary efa an-dalam-pivoahana ilay varavaram-by. “Ireo tany ivelany niezaka namoha, izahay taty anatiny niezaka nisintona tsy hisokafan’izany. Nisy tavoahangy tety an-tanako. Avy hatrany dia natorako tamin’ireo olon-dratsy tao ivelany. Tsy nampoizinay anefa fa vava basina kalaky no namaly an’izany. Tifitra variraraka no niantefa taminay mianaka. Ary i Dada no saika nitaty ny bala rehetra. Bala niisa enina no niantefa teny aminy. Lavo izy. Bala iray kosa no nandratra ny tongotro. Tafiditra ireo jiolahy”. Enin-dahy nisaron-tava, nampirantiranty ny kalaky teny an-tanany sy nitaky ny vola tamin’ireo fianakaviana ireto. Vita ny nataon’ireo olon-dratsy, azony izay nilainy, tao anatin’ny fotoana fohy monja. Antsasak’adiny taty aoriana vao tonga ny mpitandro filaminana ary namonjy ireo mpiara-monina saingy tsy azo natao intsony. Teny amin’ny hôpitaly no namoy ny ainy ilay raim-pianakaviana. Mbola nahitana taim-bala kosa teny an-toerana nony maraina ny andro. Iza ireo jiolahy ? Valin-teny mahazatra ny hoe “misokatra ny fanadihadiana”. Araka ny fantatra teny an-toerana dia toa hoe tsy vao izao no nisian’ny fanafihana tao amin’ity tokantrano iray ity. Fanindroany ireo nahafatesana olona io. Miaina tsy lavo loha araka izany ireo mponina. “Rehefa vato no napoaka dia feno mpitandro filaminana ny tanana, fa rehefa jiolahy no manafika, tsy hita ny misy azy ireo” hoy ny vetsovetson’izy ireo…

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser