- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversAvaratr’Ankatso sy Ambolonkandrina : Fanafihana mitam-piadiana, enin-dahy isan’ny mpanafika voasambotra

Avaratr’Ankatso sy Ambolonkandrina : Fanafihana mitam-piadiana, enin-dahy isan’ny mpanafika voasambotra

Taorian’ireo roalahy nosamborin’ny pôlisy misahana ny farira Avaratr’Ankatso sy Ambolonkandrina iny, dia mbola mitohy ny fisamborana ireo olon-dratsy voarohirohy ho isan’ireo jiolahy mpanafika sy mitam-piadina, nampihorohoro ireo faritra ireo. Fantatra ary tamin’ny alàlan’ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy, fa tafakatra enina ireo voasambotra amin’izao fotoana izao.  « Voasambotry ny Polisy ireo jiolahy nanao fanafihana tokantrano iray teny Avaratr’ Ankatso, ny alin’ny 15 Avril 2015 tamin’ny 1 ora maraina. Tokantranon’ny Dokotera iray izay sady mpitambolan’ny fiangonana ity voatafika ity ka maty voatifitra tamin’izany ity mpitsabo ity » hoy ny vaovao. Araka ny fanazavana azo hatrany, dia i Hajakely, izay isan’ireo voasambotra voalohany, no nanoro ireo namany hafa, mpiray tsikombakomba tamin’iny fanafihana teny an-toerana iny. Niaiky ity farany niaraka tamin’ny namany hafa fa, isan’ireo nandray anjara tamin’ilay fanafihana nahafaty olona teny Avaratr’Ankatso ary ihany koa tompo-marika tamin’ireo fanafihana fivarotana teny Ambolonkandrina. Enin-dahy no isan’ireto hatolotra ny mpitsara mpanao famotorana ireto, 15 lahy anefa no fantatra fa nanafika tamin’ireny fotoana ireny. Tsy mijanona hatreo araka izany, fa mbola mitohy ny fanadihadiana, raha ny fanazavana azo avy amin’ireo mpitandro filaminana hatrany. Voasambotra ny olona, aiza ho aiza kosa ny fanadihadiana mahakasika ireo basy kalaky ? Avy aiza izy ireo ary iza no tompony ? Tsilian-tsofina no nahenoana, avy amin’ny loharanom-baovao akaikin’ireo mpanao fanadihadiana fa toa hoe, mbola basy sy bala vaovao be avokoa no eny am-pelan-tanan’ireo olon-dratsy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser